airtel

Edito

16-mai-2025

Efa hain’ny olona tsianjery eeee !

Efa mety betsaka ny

Sample post image

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

16-mai-2025

ny toetra amam-pihetsiky ny filoham-pirenena Malagasy amin’ny fomba fitantanany sy ny kabariny. Miainga amin’ny filazana fa miasa, mitanisa ny kely vita tsy dia hita izay vokany amin’ny fiainam-pirenena, mitanisa zavatra lazaina fa hatao na eo am-panatanterahana izay matetika efa miverimberina foana na « diska gôka » hoy ny olom-pirenena sasany. Ao anaty taom-piasana iray mety misy zavatra miverimberina indroa na intelo na mety ho efa im-polo aza. Dia ireny niarahana naheno ireny ny tany Toliara farany teo. Raha ny resaka RN13 izany ohatra, dia betsaka izay fihetsiketsehana natao izay, fa mandrak’ity ny androany mbola ampahany 110 km no vita, ary ny RN 10 mbola vao hatomboka, kanefa tahaka ny hoe : efa nahavita dingana goavana tsy hita pesimpesinina. Faheno sy fandre matetika ihany koa ny kabary toa mampanongo tena indraindray hoe : nodinihina sy nolanjalanjaina ve sa dia hitsin-dalana fotsiny na koa tena tsy fahalalana mihitsy ? Isan’ireny artemesia mampidi-bola noho ny vary kanefa roa na telo taona aty aoriana milaza fa hampiakatra ny fambolem-bary izay nolazaina fa 2 taona vao miakatra, ny fampivadiana omby vositra amin’ny ombivavy beronono hakana taranaka, ny filazana fa tsy mitombina ny mari-pandrefesena teren’ny vahiny hatao eto momba ny fahantrana,… Izao indray dia ny fampitomboana ho amin’ny gony tosika lazaina homena ny olona no fampiakarana ny fari-piainany. Izany resaka famahana ny olana ara-tsosialy izany moa dia zary fahazarana ny hoe : mitady vahaolana maharitra momba ny Jirama, manome toromarika ny mpitandro ny filaminana,... fa ny vokatra tsy arakaraka izay. Ny resaka fitsinjaram-pahefana izany moa mety nofy ririnina, fa ny sary mitranga dia tena maneho ny hoe : tiana hotsabahana daholo izao rehetra izao hanehoana fa miasa sy mandray andraikitra, kanefa rehefa tena zohiana tsy hita izay tena vita, fa ny serasera sy ny voninahitra no lehibe indrindra. Raha tena misy fitsinjaram-pahefana tsy hisy filoham-pirenena handeha hanao asana sefom-pokontany, na ben’ny tanàna,… hoy ny olom-pirenena !
Toky R
 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

nahatsiarovana ny nandraisan’ireo mpanaradia izany Jesoa Kristy

Card image cap
05-juin-2025

fiainana politika sy ny fitantanana Firenena e ! Raha toa nangingina sy tsy

Card image cap