airtel

Edito

29-avril-2026

Tsio-drivotra hafahafa !?

Isehoana trangan-javatra

Sample post image

mafampana hatrany ny toe-draharaha

29-avril-2026

politika eto amin’ny tany sy ny Fanjakana, raha raisina amin’io raharaha fikasana hanakorontana ny Firenena mahasaringotra teratany vahiny io. Tonga hatramin’ny fampantsoana masoivoho vahiny. Ekena ny fomba firesaka ara-diplaomatika ilazana fa milamina tanteraka ny fifandraisana, saingy ny tena zava-misy sy ny tsio-drivotra mandeha mety hafahafa ihany. Tsy resaka eto Madagasikara ihany, fa somary mangotraka ohatra ny toe-draharaha any amin’ireo Firenena sasany any Afrika Andrefana, toa an’i Mali, Burkina Faso, Niger,… izay nisy fiovam-pitondrana tato anatin’ny taona vitsivitsy, nisy fitsimbadihana ara-diplaomatika toy ny fanovana ireo mpiara-miombon’antoka lehibe, hany ka tafiditry ny tsio-drivotra ara-jeopolitika. Samy nanana ny kajiny ireo firenen-dehibe, nitady ny hirika hahafahany mijery ny tombotsoany, ka tao ny mety lasa nahazo avara-patana, tao ny mety somary voahilika,… Mandeha ny ora sy ny fotoana, fa mety misoka ihany koa ny paikady sy ny lazon’ady hifamelezana. Dia io mafampana io any ka asa hoe : mety toe-javatra mitovitovy endrika amin’ireny ve io sary mitady hitranga eto Madagasikara io ? Ny mety fiezahana hamingana ato anatiny efa iarahana mahita, misy ny tsy maty voalavo an-kibo, te hanao izay fomba rehetra haminganana ilay fanavaozana tiana hapetraka, manararaotra ireo mety ho hadisoana politika madinidinika mila ahitsy,… Tsy misy zavatra tongatonga ho azy sy mandehandeha ho azy izany amin’ny politika, fa ny zava-dehibe dia ny fahamailoana, ny fahaizana maka lesona, tsy famerenana ny hadisoana efa nisy, ny fahaizana mijery sy mamaly ny tena hetahetam-bahoaka izay antoky ny fahamarinan-toerana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

fasana tetikasa na «cimetière de projet»

Card image cap