airtel

Edito

06-août-2026

Mila fanarenana!

Notakiana teto amin’ity firenena ity

Sample post image

ny fanovàna nanomboka ny 25 septambra 2025.

06-août-2026

Ankehitriny isika miaina anatina rafitra heverina ho vonjimaika antsoina hoe «fiadidiana ny fanovàna». Raha ny fahalalàn’ny maro, indrindra, ireo mpanara-baovao azy, amin’ny ankapobeny, dia hanomana fikaonandoham-pirenena hijerena izay azo hanarenana ity firenena ity kosa nefa no antom-pisian’ity fitondràna ankehitriny ity. Tsy vitsy rahateo ireo nilaza tao anatin’izay 16 taona izay fa mila fanarenana ity firenena ity! Firenena rotiky ny fahantrana an-taonany maro tokoa ve moa tsy hila fanarenana? Maredona ny adihevitra ankehitriny mikasika ny antsoina hoe rafitra federaly sy rafitra tokana. Ireo ihany ve no rafitra tokony hiadian-kevitra? Isan’ny fanontaniana mipetraka ihany koa izay. Heverina fa voavaly izay fanontaniana rehetra izay vao afaka miditra amin’ny hoe inona izany no rafitra mety amin’ity firenena ity? Miverina mifototra amin’ny rafitra nentim-paharazana ve, ohatra, sa manangana rafitra vaovao mihitsy? Misy antoko politika moa milaza fa fotoana hananganana firenena mihitsy io fikaonandoha io. Mazava ho azy fa hitohy ny hadihevitra amin’ny hoe inona no lalàmpanorenana mety ho an’ity firenena ity? Inoana fa itovian’ny maro an’isa hevitra ny hoe mila fanamboarana, mila fanavaozana, mila fanovàna, mila fanarenana ity firenena ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-août-2026

Sarotra ny mitantana Firenena ao

Card image cap