airtel

Edito

11-nov-2026

Mila

hivoarana avokoa!

Sample post image

Rehefa nifofofofo mafy

11-nov-2026

ny rivotry ny filàna fanovàna nanomboka ny 25 septambra 2025 dia andeha raisina ho niofo ho lasa fanavaozana izany rehefa tafatsangana ity fitondràna fanavaozana ity. Fanavaozana tokoa ve no ilaina eto amin’ity firenena ity sa fanovàna mihitsy? Isan’ny fanontaniana fototra mbola mipetraka hatramin’izao izany. Sarotra ny handà fa mila hivoarana avokoa ny zava-drehetra eto amin’ity firenena ity! Mila hivoarana ny fomba fandraisana fanapahan-kevitra. Raha taitaitra mandray izany, ohatra, ny teo aloha dia mba mila miezaka mandray fanapahan-kevitra am-pitoniana sy am-piheritreretana lalina izany ny fitondràna amin’izao fotoana izao. Raha feno tsy fahamatorana ihany koa ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitry ny teo aloha, na ara-potoana izany, na amin’ny lafiny arofenitra sy ny manodidina izany rehetra, dia mba tokony hiezaka hiala amin’izany amin’izay izany ny ankehitriny. Raha tompondakan’ny fananganana fotodrafitrasa tandrametaka sy nisandohana hoe manara-penitra nefa nitete sy nanara-pofona ny teo aloha dia mba tokony hiala im-pito na in’arivo mandifotr’olona izany fomba fiasa izany, araka izany, ny ankehitriny. Ny resaka fiainana amin’ny maha olompirenena tsotra, hatramin’ny fomba fiampitàna arabe na fitondràna olona anaty fitaovam-pitateram-bahoaka, mila hivoarana izany. Ny resaka fikarakaràna fifidianana sy fifandimbiasam-pahefàna eto, eny, ny fanaovana politika eto amin’ity firenena ity mihitsy dia heverina fa mila hivoarana avokoa ireny rehetra ireny! Miandry ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay miandalana eny nefa moa izany mandra-pahamafin’ny fanentanana samihafa avy amin’ireo tomponandraikitra mba hisian’ny fivoarana mahery vaika eto amin’ity firenena ity amin’izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-nov-2026

Raha misy fanavaozana lehibe

Card image cap