airtel

Edito

12-nov-2026

Mitaky fahasahiana sy asa !

Sarotra ny mitantana firenena,

Sample post image

fa tsy vitan’ny manonofy sy

12-nov-2026

mampanantena vahoaka. Lesoka hita taratra sy niharihary tamin’ny fitondrana teo aloha izany, ary tokony ho hain’ny aty aoriana ny maka lesona. Mety betsaka ny fanamby sy ny zavatra tiana hotanterahana saingy mety misavovona ihany koa ny sakana. Mitaky fahamatorana sy fahaiza-manao fa tsy vitan’ny hataitairana rehefa vory vahoaka. Tsy finiavana hamboly toe-tsaina miiba sy hitanisa ireo sakana samihafa sanatria, fa tena tsy vitan’ny kely hoza-doha ny mitantana Firenena. Rehefa zohiana, toa vao mihodina dia olana, vao hanapa-kevitra dia efa misy sakana mandindona,… Tsy ireny akory no atao sakana, saingy tsy vitan’ny mokon-doha fotsiny ihany koa io fa tena mitaky fahasahiana sy fahaiza-manao, asa sy vokatra mahomby. Betsaka ny toe-javatra mety miendrika fivarotana aina mivantana na ankolaka aza, raha tsy hilaza afatsy ny fahasahiana mijoro sy manapa-kevitra manoloana ny tombotsoan’ireo vondrina ara-toekarena matanjaka mifehy ny sehatra stratejika toy ny angovo eto. Dia mihevitra ve isika fa ho faly amin’ny Fanjakana izy ireny ? Dia manantena ve isika fa dia tena hipetra-potsiny izy manoloana ny tombotsoa mihoampampana tsetsefiny eto ? Moa tsy efa zava-nisy sy fahita teto ve ny hoe : izay mpitondra mahasahy mikitika sy manitsy ireo tsy mety ka mahakasika ny zoron-damban’ireo vondrona vahiny sasany dia miozongozona na miongana ? Sanatrian’ny vava maneho fankahalana vahiny, ary tsy afaka hiolonolona eto isika, fa kosa zavatra tsy takona hafenina ny resaka fangejana sehatra stratejika samihafa eto. Tsy ny vahiny izay mampiasa vola eto ihany koa amin’ny lafiny iray anefa no andeha hankahalaina sy hohenjehina sanatrian’ny vava fa hoe : ahoana no ahafahantsika mametraka tontolo ara-piarahamonina sy ara-toekarena tena ara-drariny, tsy misy fanararaotana, tsy misy fanambakana, tsy misy tombotsoa mihoampampana tsy ara-drariny ho an’olom-bitsy,… Hivoatra ho aiza isika raha tsy manana fahasahiana hanova ? Inona no antenaina raha hitolefika lava manoloana ny tsy rariny ? Betsaka ny fanovana ara-toekarena eto izay mitaky fametrahana fitsipi-dalao mazava hisian’ny fiarahamonina tsy misy rahoraho sy samy mahazo tombotsoa, fa raha handady manana ny rariny eto tokoa, dia tsy ho tafavoaka na afaka 100 taona aza !
Toky R
 

Dans la même rubrique

11-nov-2026

Rehefa nifofofofo mafy

Card image cap