airtel

Edito

30-avril-2026

Tsy afa-mihemotra intsony!

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

Sample post image

intsony amin’ny fanapaha-keviny

30-avril-2026

izany izao ny vahoaka malagasy, tamin’ny alalan’ny tolona nisy nanomboka an’iny 25 septambra 2025 iny. Tsy afa-mihemotra intsony satria nisafidy lalàm-baovao dia ny hoe niala tamin’ny fitondràna Rajoelina, izay voamarina efa ela fa fitondràna notantanana teratany vahiny na teratany frantsay. Fitondràna niarahana ankolafin-kery maro samihafa, herivelona politika samihafa ihany koa, nanaiky fa betsaka ny tsy fanarahan-dalàna nataony. Isany io fizakàna zom-pirenena frantsay izay azo tamin’ny alalan’ny fiofoana mivantana na antsoina hoe «naturalisation» io. Isany koa ny fampidirana fitaovam-piadiana mahery vaika tamin’ny fomba tsy ara-dalàna teto amin’ny firenena fony izy mbola ho kandidà filoham-pirenena fotsiny ny taona 2018. Toy izany koa ny fanaterana antotan-taratasy filatsahan-kofidiana tanaty fe-potoana efa tapitra kanefa dia mbola noraisin’ny Fitsaràna avo momba ny lalàm-panorenana na HCC tamin’izany fotoana ihany. Nofehezina famakafakàna maro tamin’ny alalan’ny teny tokana dia ny hoe «jadona» moa izany fitondràna teo aloha izany ary fanontaniana mbola heverina tokony hipetraka izany amin’izao fotoana izao, manoloana ireo zava-mitranga rehetra ny hoe «mbola tokony hiverenana ve ny fomba fitantanana sy fiainana tamin’izany fotoana izany?». Nanjakazaka teto amin’ny firenena ny mpandraharaha tokana, izay nifehy sehatra na «secteur» maro teto amin’ny firenena. Nampijafajafa mpandraharaha malagasy maro izany, indrindra, mpandraharaha madinika. Eo am-pitazanana moa izany isika hoe hanao ahoana indray izany ny tohiny amin’izao fotoana izao? Maro ny ahiahin’ireo mpanara-baovao sy olompirenena mikasika ireo manodidina ny filohan’ny fanavaozana sy ny ao anatin’ilay hoe fitondràna fanavaozana mihitsy moa izany. Hamaha ny olana ve ny karazana fanendrena mpiasam-panjakàna ambony maro, izay azo ambara hoe mpiara-mitolona tamin’ireny fotoana ireny? Ao ny voatendry ho mpanolontsaina manokana, mpanolontsaina tekinika, talena sampan-draharaha samihafa, masoivoho sy ny hafa rehetra tsy voatanisa. Miandry izany isika izao hoe hanao ahoana indray ny tohiny? Ny hirariana hatrany aloha dia ny hitondràn’izany rehetra izany any amin’ny fanavaozana sy fanovàna tokoa satria tsy afa-mihemotra intsony aloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

mafampana hatrany ny toe-draharaha

Card image cap