airtel

Edito

05-sept-2023

Any amin’ny maro an’isa ny fanalahidy

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana isika!

Sample post image

Inona no hitranga aty amin’ny ora farany fandraisana ny taratasy firotsahan-kofidiana?

05-sept-2023

Hanao ahoana no hiafaran’ny adihevitra momba ny firotsahan’ny Filoha am-perin’asa na tsia? Ny sary politika miseho ankehitriny aloha dia efa miharihary ny tombo sy hala miseho amin’ny endrika maro. Mandeha ny adihevitra sy adivarotra, saingy miomana hatrany ihany koa ny mpanao politika vonona ny haka fahefana hampandrosoana ny firenena na inona na inona mety hitranga eo. Ny sary miseho dia toa ezahin’ny olon-tokana na vondron’olona ato hatodika amina tsangan’olona iray sy ny vondrona miaraka aminy ny raharaham-pirenena ka mianikna aminy hampilamina na hampikorontana ny tany. Fa fananan’olom-bitsy ve ilay Madagasikara ka hatao takalon’aina lava eto? Efa tena tsy voafehy sy tsy voatandro intsony ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenena satria ny olona toa tokony ho lohalaharana amin’ny fanatanterahana sy fampiharana izany no toa lasa miteraka olana voalohany. Toa misy mihevi-tena ho Amperoran’I Madagasikara eto, ka na inona na inona tiany hanaovana ity firenena ity, dia tsy maintsy leferina. Tena ara-bakiteny hatrany ilay hoe: tahaka ny vorona azon’adala ilay firenena, ka raha tsy maty mifoifoy volo. Ny manahirana sy tokony hampihiratra ny sain’ny Malagasy tsy vakivolo anefa dia izao hoe: ny 99% amintsika tsy afaka ny ho aiza fa eto Madagasikara hatrany na inona na inona mitranga sy miseho eto. Ny vazaha taratasy afaka mandeha misintaka any amin’izay tiany, ny manam-pahefana mety avy nambotry firenena rehefa avy manakorontana eto dia afaka mandeha mitsoaka mihinana ny azo,… Vitsy amintsika Malagasy no afaka ny handeha hitady toeran-kafa hitodiana noho ny fahantrana iaraha-miaina. Koa tsy andeha hofoazina amin’izay ny hambopom-pirenena, hetsehina ny fitiavan-tanindrazana ao anatin’ny tsirairay, hatambatra ny hery, atomboka ny firaisankina, ka tena ny fanomezana hasina ity tanintsika ity no andeha hifanomezan-tànana. Fotoana izao hahatsapan’ny tsirairay, fa tsy mahantra ny firenena, vahaolana fa tsy olana ny olona ao aminy izay harena voalohany, andeha hampihavanina amin’ny taniny sy ny hareny ny Malagasy, handeha haseho fa afaka misandratra ity Nosintsika ity, fa ny olana hatramin’izay dia niniana notapenana tsy hahalala sy tsy hianatra ny taniny ny Malagasy, ka tsy mahatsapa intsony ny lanjany. Fotoana izao hitondrana rivo-baovao ho an’ny firenena!
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap