airtel

Edito

24-févr-2026

Aoka izay ny fandohalihana lava !

Samy miandry izay

Sample post image

ho akon’ny fihaonana eo amin’ny

24-févr-2026

Filoham-panjakana Malagasy sy ny filoha frantsay isika amin’ity anio ity. Hanao ahoana ? Inona no horesahana ? Manao ahoana ny mikasika ireo dosie mangotraka ? Efa mahazatra ny fomba firesaka ara-diplaomatika mikasika ny fanehoana fa hamafisina ny fiaraha-miasa, misy ny fifamatorana ara-politika sy ara-tantara, hanampy an’i Madagasikara amin’ny lafiny tahaka izao sy izao i Madagasikara, vonona ireo mpandraharaha Frantsay hampiasa vola eto Madagasikara, hanampy amin’ny lafiny sosialy, angovo, fambolena,… Efa fandre ny tahaka ireny, ary betsaka izay noresahana izay fa hatreto mbola tsy tena hita ny akony ara-toekarena. Hiova sy handeha am-pahitsiana ve ny fiaraha-miasa manomboka eto, indrindra eo anatrehan’ny endrika fifaninana ataon’ireo Firenen-dehibe sa mbola handeha hatrany ny fifandraisana milafika eo ambony fiatsarambelatsihy ? Efa manomboka mitsoaka ny rivotry ny fanatontoloana ara-diplaomatika, ary tsy midika ho fananganana fahavalo ny fanehoana fisokafana sy fivelarana bebe kokoa fa tsy hiankohoka sy hanome tombondahiny Firenena iray na maromaro. Tsy tokony ho miala an’Ankatso dia Ambohidepona araka ilay fomba fiteny ihany koa fa fotoana fanararaotra izao, ary mila trandrahana amin’ny lafiny miabo ny sary mitranga fa tena betsaka ireo mila antsika, te hiaraka hiasa amintsika, te hampiasa vola eto,… Ampahatsiahivina hatrany ihany koa anefa fa tsy hoe tia be antsika ny vazaha, ny sinoa, ny karana,… fa tena misy tombotsoa tadiaviny eto ! Dia mba mila trandrahana ihany koa ny tombotsoa avy aminy fa tsy ho ambakaina lava eto. Samy nosoran-dreniny menaka izao ihany ve dia hanaiky hambakaina lava eto tokoa isika. Fotoana izao hijoroana fa tsy handohalihana ! Tsy midika ho fananganana fahavalo ny fifohazan-tsaina ho an’ny Firenena !
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Manahirana dia manahirana

Card image cap
16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap