airtel

Edito

04-juin-2026

Miandry vely vy mahamay!

Mihemotra lava ity ny

Sample post image

fikaonandoham-pirenena. Mazava ho azy,

04-juin-2026

manoloana izany, misy ireo kivy sy velom-panontaniana hoe aiza ihany? Rahoviana ihany? Misy koa ny fanazavàna samihafa mikasika ny antony maha sarotra ny fanatanterahana izany amin’izao fotoana izao. Isan’ny voalaza anatin’izany, ohatra, ny mikasika ny ara-bola. Eo ihany koa ny fandavan’ny herivelona samihafa, tahaka ny firehana Rajaonarimampianina sy Ravalomanana, ny hanatanterahana izao fikaonandoha izao anatin’ny odidina tahaka izay hita ankehitriny. Tsy ferana koa nefa ny mety ho fisiana herivelona samihafa mahita tombony amin’izay mbola tsy fanatanterahana fikaonandoha mandrak’androany izay. Ny resaka fandravàna ny antenimieram-pirenena, ny fandravàna ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana, ny resaka fifidianana, izay fikaonandoha izay izany amin’izao fotoana izao no heverina hoe ivon’ny adihevitra politika eto amin’ny firenena. Samy lohahevitra heverina hoe miandry vely vy mahamay avokoa amin’izao fotoana izao ireo. Adihevitra miha mangotraka amin’ny lafiny politika eto amin’ny firenena izany amin’izao fotoana izao. Iza moa no mpanara-baovao tsy liana sy miandry an’izany fikaonandoham-pirenena tena mendrika an’izay anarana izay amin’izay amin’izao fotoana izao? Samy mametra-panontaniana daholo ankehitriny hoe hahay haka lesona amin’ny tsy nety tamin’ny tantaram-pirenena hatramin’izay ve ny fitondràna ankehitriny? Hahasahy hikarakara fikaonandoha tena andraisan’ny rehetra anjara ve ary tsy hisy hery avy any ivelany na iraisampirenena hitsabaka intsony tokoa? Ho fikaonandoha hitondra fanavaozana marina tokoa ve, indrindra, fanovàna tanteraka an’ity firenena ity ka hahatonga azy tsy ho firenena mahantra indrindra manerantany intsony fa mba afaka hifaninana amin’ireo matanjaka amin’izay? Miandry vely vy mahamay, araka ny fomba fiteny hoe «Veleso ny vy dieny mahamay!» tokoa, araka izany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ahazoana firenena matanjaka»

Card image cap