iray ny Firenena eo anatrehan'ny firosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena tarihin'ny Fiangonana arahin'ny tan-tsoroka avy amin'ny Fanjakana. Miteraka fanantenana vaovao raha ny resaka sy ny fanehoana fahavononana niseho omaly. Heverina ny hamadika ny pejin'ny tsy fanajariana sy fahalovana eto amin'ny Firenena, saingy mitaky fanavaozana fijery vaovao, aim-panahy vaovao , fomba fiasa vaovao,... Inoana fa mba efa nahazoana lesona ny tranga teo aloha, ireo krizy nifanesy,... Toa taratr'izany raha jerena amin'ny lafiny iray ny nilazan'ny manam-pahefana sasany, fa ny olana hatramin'izay dia naompana kokoa tamin'ny famahana olana ara-politika fa tsy nisy tena fihainoana ny marary ny vahoaka. Avoitra aty am-panombohana fa ny hevitra avy any ifotony no iaingana, tsy ho fikaonandoham-pirenena hifanaovana fampanantenana poakaty na ifamaliana,... Eny am-pandrasana anefa mahita ny atiny. Betsaka rahateo ny endrika fanehoana hanao zavatra, hanova,... saingy any amin'ny fampiharana sy vokatra ary fahombiazana no handrefesana azy. Efa betsaka rahateo izay zavatra nosoniavina sy nifanekena teto izay. Maro ihany koa ireo fampanantenana noventesina indrindra fa tamin'ireo propagandy politika. Raha ny fampanantenana natao teto, raha ny fanatsarana ny Firenena sy ny fiaim-bahoaka nolazain'ireo mpanao politika,... dia efa mety paradisa kely ity Madagasikara ity sy ny vahoaka. Iza no tsy nitantanisa vina, iza no tsy nilaza fa hanao fitsinjaram-pahefana sy vola, iza no niteny fa hampiakatra ny toekarena, iza no tsy nanambara fa hiady amin'ny kolikoly,... fa io iarahana mahita io aloha ny fahantrana. Fotoana noho izao tena hamadihana ny pejy ka zava-dehibe ny fanaporofoana amin'ny asa sy vokatra fa tsy ilay kobaka am-bava nifandovana hatrizay no mbola lovaina ankehitriny.
Toky R