airtel

Edito

04-janv-2023

Edito

Arendrika lalina mihitsy

Sample post image

Fanodinkodinana saim-bahoaka na fandrendrehana saim-bahoaka, io moa ilay antsoin’ny vahiny hoe “diversion”. Trafika, dosie na koa hoe ampamoaka.

04-janv-2023

Tranga mamohahenatra na “scandale” ary isan’ny tafiditra ao anatin’izany koa moa ilay anglisisma hoe “buzz”. Izany no tena tsikaritra ho mba mameno ny politika nisy teto Madagasikara tao anatin’izay 5 taona latsaka izay ary ny mampalahelo ao anatin’izany rehetra izany dia toy ny politikam-panjakana mihitsy ilay izy. Ny serasera anaty tambazotran-tserasera toy ny Facebook sy ny Twitter no tena natao sy mbola atao mafotaka hatramin’izao. Mizara vary amin’ny lovia hatramin’ny filoham-pirenena dia alaina sary mirentirenty eny amin’ny tambazotra eny. Ambadik’izay rehetra izay moa dia misy ilay voambolana iray koa hoe “mandeha ny mandeha!”. Mandeha ny volamena miondrana an-tsokosoko sy mivadika vy. Mandeha ny fanenjehana mpampaneno lakolosy anaty tambazotran-tserasera fa ny minisitra sy praiminisitra niasa tao anatin’ilay birao nisy volamena nivadika vy tsy voahadihady mihitsy hatramin’izao. Nandeha ny aferana “ecran plat” sy ny “bonbon sucette” sy “paniers garnis” saingy tsy hita izay tohiny. Mandeha ny kakay mahazo ireo mpandraharaha malagasy. Mandeha ny fampahantrana lalina ilay vahoaka malagasy saingy ny mahagaga dia toa tsy misy mba mamaha araka ny tokony ho izy izany olam-bahoaka izany mihitsy hatramin’izao fa dia io fahantrana miha lalina mbola saika iaraha-miainan’ny isam-batan’olona eto Madagasikara ankoatran’ny mpitondra sy ireo akaiky azy io. Miandry fifohazan-tsaina faobe izany sisa na hiara-hanavotra na handrendrika lalina mihitsy ity tanindrazana lazaina lalandava fa iaraha-manana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap