airtel

Edito

14-août-2023

Edito

AZO ATAO TSARA NY MAHOMBY

Sample post image

Tsy mandehandeha ho azy ny fahombiazana, fa misy fepetra sy pitsopitsony vao tonga amin’izany. Tsy vitan’ny nofinofy sy hevitra manidintsidina fa mitaky finiavana,

14-août-2023

fitiavana, asa, fa ezaka sy finoana indrindra indrindra. Mifameno tanteraka ireo, ary tsy mila fitadiavana voninahitra, tsy izany no mahamaika satria izay no manimba sy mety ho sakana voalohany. Ny lehibe indrindra dia fikatsahana ny soa iombonana mba hositrahan’ny rehetra, tsy ilàna voninahitra, tsy hitakiana tambiny, tahaka ny volamena latsaka am-bovoka io ka tsy avelan’ny tarany tsy hamiratra rehefa mandeha amin’ny tsotra, marina, kanefa mahomby. Raha vao ny fitadiavana voninahitra no mandeha aloha fa tsy ny fikatsahana ny soa sy ny tsara mba ho tombotsoan’ny rehetra, dia mihen-danja ny vokatra sy ny fahombiazana. Azo ampiharina amin’ny sehatra rehetra, asa rehetra, vina rehetra io, eny fa ny fampandrosoana sy ny fitantanana ny firenena, hany ka isan’ny zava-dehibe ao anatin’izany ihany koa fahaizana miray hina mba hanatrararana tanjona sy fanamby lehibe satria miara-dia vao tafita fa tsy tafita vao miara-dia. Inona tokoa moa no nahapotika ity firenentsika ity tamin’ny lafiny maro: toekarena, sosialy, politika,… Potika ny fifandirana sy ny fifanenjehana lava I Madagasikara, lasa mifandrafy noho ny politika sy ny fifanoherana eo amin’ny olon-droa na vondron’olona roa ny firenena. Potiky ny krizy nifanesy satria raha manodidina ny 13 ireo mpitondra efa nitantana an’I Madagasikara, dia ny dimy tamin’ireo tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana na tsindry goavana ara-politika no nialany tamin’izany toerana izany. Maro no mety ho antony, fa ny tena fositra dia ny tsy fametrahana firaisankina teny hanavotra ny firenena fa mety nibahan-toerana kokoa ny seza, vola, voninahitra, fahefana,… Zary lasa rotiky ny adilahy politika ny firenena, ka voasokajy ho isan’ny firenena mihemotra sy miha mahantra isika kanefa tsy isan’ireo niady an-trano na nandalo loza voajanahary mahatsiravina, fa lazoin’ny otrik’ady sy fifandirana lava. Adino fa firenena manana ny maha izy azy isika, harena goavana afaka hanavotra an’i Madagasikara ny olona ao anatiny miampy ny harena tsy hita noanoa ao anatiny, ka ny famohazana an’ireo ho fanohitra sy apinga hanavotana ny firenena no zava-dehibe. Tsy tanteraka anefa izany raha tsy misy ny firaisankina sy ny fiaraha-mientana satria miara-dia vao tafitra, fa tsy tafita vao miara-dia!
Tahina RAZAFINJOELINA 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap