airtel

Edito

25-févr-2025

Bibilava sinambotr’ankizy!

Bibilava sinambotr’ankizy ankehitriny ny vahoaka malagasy.

Sample post image

Tsy tanana handrangotra. Tsy tongotra hitsipaka. Toy ny valala voatango ka tsy afaka na

25-févr-2025

dia ny hitsambikina ihany aza ialàny amin’izay mampahory azy. Tsy afaka ny hanidina intsony koa fa dia voagejan’ny tsy fisian’asa, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fahazakàna vidim-piainana sy vidin-tsolika eto. Voagejan’ireo karazana tsy fahafaha-mihetsika marobe toy ny tsy fahafaha-maneho hevitra sy mivory, eny, mampihatra ny maha tany demokratika ity firenena ity, izay hizingizinin’ireo mpitondra sy mpanaradia azy fa azo atao ihany saingy misy fetrany. Fetra izay mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao sasany mihitsy hoe na dia any amin’ireo firenena tsy mahalala izany demokrasia izany toa an’i Birmania sy Korea avaratra aza ve hanao toy ny eto? Aiza no hisy hoe rehefa fivoriana politika, na fifampiarahabana tratry ny taona ho ataona antoko politika aza izany, dia mila solontena avy amin’ny prefektiora hanontrona azy, raha azo ny alalana hanao izany? Ny filoham-pirenena mihitsy aza moa no tsy menatra akory nilaza fa mila fongorina ny mpanohitra azy. Ho fitantanana tokan-jotra, tsy ahitàna afa-tsy fomba fijery tokana na hoe «pensée unique» ve izany no kasaina ho apetraka eto amin’ity Madagasikara ity manomboka eto. Nisy firenena efa nandroso tao anatin’izany fomba fanaovana politika tsy mampiaina ny singa rehetra anatin’ny antsoina hoe politika izany ve teto ambonin’ny tany? Inona intsony moa no antony hamaritana ny atao hoe «politika» amin’ny maha fitantanana sy fikatsahana izay mahasoa ny firenena azy, raha toa ka ho foanana ao anatiny ny atao hoe «demokrasia», izay midika ho fanjakàn’ny vahoaka sy avy amin’ny vahoaka ary ho an’ny vahoaka ihany ka nanome ny antsoina hoe «repoblika» taorian’ny vanim-potoana faha mpanjaka?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

7 taona mahery no nitondràny amin’ny maha filohan’ny repoblika malagasy azy,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap