airtel

Edito

16-nov-2026

Bokotry

ny rain'ny repoblika

Sample post image

Tsaroana hatramin'izao,

16-nov-2026

68 taona aty aoriana, ny lesona nomen'ny filohan'ny repoblika voalohany teto Madagasikara, Philibert Tsiranana, mikasika ny paikady mahomby anaty fitantanana firenena iray. Toy ny manidy bokotr'akanjo, hoy izy izay, ny mitondra firenena. Vao mivilana ny any ambony dia hivilana hatrany ambany io. Betsaka tokoa ny lesona sy fampianarana azo tamin'iny bokotry ny rain'ny repoblika iny. Nanome lesona momba ny ady amin'ny kolikoly koa avy eo taty amin'ny repoblika faharoa, ny Amiraly Didier Ratsiraka, raha nilaza hoe ataovy toy ny mamafa tohatra izy io! Avy any ambony no midina fa tsy ny mifanohitra amin'izay. Mila madio aloha ny any ambony dia manaraka ho azy ny loto aty ambany avy eo. Raha ny loto aty ambany no fafàna mialoha dia mety hivadika ao indray avy eo ny loto avy tao ambony, hany ka tsy ho foana mihitsy ilay loto na ilay kolikoly. Raha ny lesona aloha dia inoana fa samy miaiky izay nanaraka ny tantaran'ity firenena ity fa efa betsaka izay. Ny fampiharana hatrany izany io andrasana io mba tsy hiverenan'ny krizy eto intsony. Ny tena heverina ho fototra aloha dia ny hoe mila mpitondra tena azo atao maodely amin'izay ity firenena ity fa aoka izay ny nampahantra toy ny efa hita tany aloha! Izay izany no heverina fa tena fonosin'ilay lesona nomena hatramin'ny 68 taona lasa mbola isan'ny tsy mety haintsika sy tsy maha avotra ny firenena hatramin'izao na koa ilay hoe bokotry ny filohan'ny repoblika voalohany efa tokony nampiharina hatramin'ny taloha!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-nov-2026

koa hoe Kendritohana,

Card image cap