misy manoratra ihany koa hoe Kendry tohina, raha ny ambaran’ny rakibolana fa na ilay voalohany na faharoa na fahatelo moa izany dia samy ilazàna fiandrasana fahavoazana na fahadisoan’olona iray tiana ho lotoina hatramin’ny ela. Tsikaritra ho saika lasa fiainana politika an-taonany maro izy io nanomboka tany amin’ny taona 2007 tany ho any. Matetika ampiarahana amin’ny teny hoe «Miandry» dia manome ny hoe «Miandry kendritohina», izany hoe, andrasana na kendrena mihitsy izay hahatafitohina ilay tiana ho lotoina. Raha iverenana izany, ohatra, ny tantara tamin’izany taona 2007 izany dia nisy kandidà ben’ny tanànan’Antananarivo iray izay niezaka niseho fa lasibatry ny mpitondra teto amin’ny firenena tamin’izany. Isan’ny novoizina, ohatra, fa nosakatsankanana ny filatsahany. Nony lany avy eo ilay kandidà dia nilaza indray fa nandova trosa ary dia nitohy tamin’ny fanonganam-panjakàna 2009, araka ny famaritan’ny sehatra iraisampirenena azy, moa avy eo ny raharaha rehefa tratry ny kendritohina ilay mpitondra firenena tamin’izany ka niteny tsy am-piheverana toy ny hoe «Tsapao aloha ny herinareo!» na koa hoe «Totofako raha mbola misy ho totofana!». Ekena fa nisy hatrany, na izany na tsy izany, ny fanapahan-kevitr’ireo mpitondra izay matetika neverina ho tsy nifanaraka tamin’ny filàm-bahoaka saingy tsy naintsy nisy foana izany izay atao hoe «kendritohina» nentina nandoto indrindra izay nitondra teo izay. Isan’ny nambara ho tena nahasorena olompirenena tao anatin’ny fitondràna taorian’izay, ohatra, ny filazàn’ilay filoham-pirenena tamin’izany hoe «Lazao ahy fa mahantra ny malagasy!». Ny an’ilay farany teo moa dia hoe «Tsy izay mpanao Facebook miisa 10 na 12 na 14…» sy ny tahaka izany no natetika heno teny imolony. Tonga hatrany amin’ny hoe «Izaho Bruce Lee…» dia ny mpanara-baovao sy ny olompirenena rehetra samy nahalala ny tohiny. Tsy ireo tomponandraikitra voalohany teto amin’ny firenena ihany no nanao karazana teny tsy voahevitra toy izany fa nisy filohana andrim-panjakàna toy ny antenimieran-doholona. Nisy minisitra. Nisy tale samihafa na tomponandraikitra hafa ihany koa. Tsy azo isalasalàna, noho izany, no filazàna fa zava-dehibe ny fitandremàna an’io antsoina hoe fifandraisana na «communication» rehefa mitantana fiarahamonina, na fiarahamonina kelikely toy ny anaty toeram-piasàna sy fokontany io na fiarahamonina lehibe kokoa toy ny kaominina sy firenena. Avadiho im-pito rahateo ny lela mialohan’ny hitenenana, hoy ny fahendrena malagasy izay!
J. Mirija