airtel

Edito

13-déc-2021

Edito

Dia gaga ianao !

Sample post image

Mitohy ny fahasahiranana. Izay raha atao bango tokana izany ny lojikan’ny zava-misy amin’ity herinandro ity satria na dia ny fikasana haneho tamin’ny mpitondra fanjakana sy ny mpanapa-kevitra ny fisian’izany

13-déc-2021

 fahasahiranana izany sy ny tsy fahazakana azy intsony aza izany dia ireny niaraha-nahita ny faran’ny herinandro teo ireny fa nosakanana sy nolazaina fa misy ambadika politika. Asa hoe efa donton’ny fanomanana ny taona 2023 loatra ve ny mpanapa-kevitra ao ambony ao no dia tsy mahita voambolana na fanazavana ankoatran’izany hoe mpanohitra sy ambadika politika izany hatrany rehefa misy tsikera na fitarainana miantefa amin’izao fitondrana mijoro izao? Hatreo amin’ny faha 3 taona nijoroan’ilay fitondrana ihany ve no fetra hanatanterahany ilay veliranony sa mandra-pahatapitry ny taom-piasany? Isan’ny notsiahivin’ireo mpanara-baovao fatratra nanoloana ny zava-nitranga iny faran’ny herinandro iny moa ny fanehoan-kevitra malazan’ny mpikamban’izao fitondrana izao izay nitaky fanehoan-kevitra malalaka manao tamin’ny fotoana andro hoe "Avelao ny olona haneho hevitra! Io tsy misy hoe matahotra korontana ny olona. Sasana atidoha ny vahoaka amin'ny hoe sao hanogam-panjakana. Tsia! Mihetsika ny olona toy ny any Etazonia amin'izao fotoana izao, hatramin'izay nahalany an'i Donald Trump. Mila ho isan’andro fa tsy nisy ady hevitra mihitsy hoe hiongana i Donald Trump. Izay ilay teneniko hoe ny soa sy ny lesona any ivelany tsara ho fianatra aty amitsika. Io ny Ambohijatovo efa kianjan'ny Demokrasia nanomboka tamin'ny 2009. Ampiasao ny mpitandro ny filaminana hiaro ny mpaneho hevitra. Tsy misy korontana izany raha mandray ny andraikiny ny mpitandro ny filaminana.” Dia gaga ianao, hoy ilay fiteniny izay, fa toy ny tsy ilay tomponandraikitra io no niteny izany tamin’ny fotoan’androny. Efa kolontsaina tsy maha menatra intsony mihitsy ve ilay fahasahiana mivadibadika hevitra sa inona loatra no tena anton’ny tsy fisian’ilay fanazavana hentitra eo amin’ireo tomponandraikitra nandalo sy vao mahazo toerana tao anatin’izao fitondrana izao? Farany nahavaka teo koa ny nafitson-drizareo mpikarakara fifidianana. Ny filoha lefitra teo alohan’ilay andrim-panjakana izao no nilaza fa nisy ny “verin-droa” na “doublon” tanatin’ny lisitry ny mpifidy. Nanamafy izany avy eo ny filoha rehefa voatery hiala amin’ny toerany na dia nanda koa aza teo aloha. Vao nandray fahefana nefa ity ny vaovao dia nandiso ireo filazana in-droa mientaona ireo indray fotsiny izao. Dia gaga ianao !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

fa nomenao vahoaka dondrona! Valalabemandry ialahy, hoy izy, rahoviana ihany vao valalabemifoha?

Card image cap