airtel

Edito

17-janv-2023

Edito

Don-tandroka

Sample post image

Raha any anaty horonantsary mihetsika dia tahaka irony « rôle » tsy mety sy tsy manaiky ho faty ireny mihitsy ny mpitondra eto amintsika.

17-janv-2023

Tsy manaiiky diso, tsy voambolana fantany ny hoe resy, mikaviavia be izy amin’izany hoe mandefitra na somary misitaka kely aloha mandinin-tena.Ny azy tonga dia don-tandroka iny, ka na iza na iza manatrika azy eo dia mahazo ny anjarany. Azo itarafana izany ny fanehoan-kevitra maika be avy amina manampahefana ambony ny alahady lasa teo, taorian’ilay toritenin’ny Pastera Zaka teny amin’ny Coliseum. Iny aloha no akaiky indrindra, fa ho an’ireo mahara-baovao sy mahatadidy tsara ny tantaram-pirenena dia efa nanao vavabe teny Ambohitsorohitra ihany koa ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana, izay filoham-pirenena ankehitriny hoe : « ..isika tsy mankany intsony fa alefantsika amin’ny SMS ny valitenintsika ».Tahaka izany no fomba firesany nanoloana ny dinika iraisam-pirenena nikaroham-bahaolana hamahana ny krizy teto Madagasikara. Ny praiminisitra tamin’izany fotoana ihany koa dia efa nanao vava be hoe alefaso aty ny tafiky ny SADC hanaovanay fanazaran-tena. Mbola mety ho mafimafy kokoa noho izany ny an’ny sasany sahy niteny tsotra izao hoe : na ny fatin-dRavalomanana aza tsy ho tafiditra eto. Aty aoriana anefa tafiara-monina eto ihany anie e, ary toa manambitamby an’ireo mpamatsy vola mahazatra ihany.Aiza ilay hoe ny fotoana hahazoana ny fahefana no ela dia handeha haingana be ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Don-tandroka no betsaka fa raha paikady sy asa hahazoana vokatra tsara mivaingana, tsy misy. Tezitra avy eo rehefa hisintonan’ny olona lakolosy na tairina amin’ny nofinofy tsy ahitam-bokatsoa. Dia mahagaga ve raha mahantra fadiranovana tahaka izao i Madagasikara ary tsy mahaliana ny mpampiasa vola vaventy fa ireo mpibizina ihany no manao fika masiso eto . Don-tandroka am-boalohany fotsiny fa hay kay kely fofon’aina , dia io fa mitady hanangatra sy hanilika ny tsy fetezana any amin’ny hafa. Mbola misy manantena fiovana amin’izany ve ?
RTT
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap