airtel

Edito

12-oct-2023

EDITO

Ampy izay ny setrasetra politika

Sample post image

Mitohy ny tolona hoentina mametraka ny Fanjakana tan-dalàna sy hamerenana ny fiandrianam-pirenena,

12-oct-2023

fa indrindra ny fitakiana fifidianana madio mba tena hisian’ny fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-toekarena ary ny ara-tsosialy. Na inona na inona holazaina dia tafiditra ao anaty krizy politika ny firenena, saingy ny zava-dehibe aloha, dia ao anatin’ny filaminana tanteraka ny hetsi-pitakiana mandeha, na eo aza ny finiavana handoto sy hanakorontana ataon’ny any ankilany. Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy eny ambony latabatra ny famahana ny olana, saingy andrasana ho lasa lalina ve ny krizy? Sa mbola tsy mahataitra izao zava-misy izao ka dia hoentina amin’ny setrasetra politika sy ny loham-boto ary ny tian-kano tsy tian-kano? Miantso ny Raiamandreny am-panahy saingy toa tsy hita ny kandida iray izay zary lasa olan’ny firenena. Miantso ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa mbola tsy tazana ihany. Tahotra hiatrika adihevitra sa inona loatra? Ny vava tsy ambina sy ny fihantsiana mandeha eny ihany, ary ny tena mahavalalanina dia ity fanaovana ririnin-dasa tsy tsaroana ity, ka ny fanta-daza tamin’ny fanonganam-panjakana, ny malaza ratsy amin’ny fandikana sy fanitsakitsahana lalàmpanorenana, ny mpisetrasetra ara-politika,… no zary lasa mpanome lesona amin’ny hoe: aza korontanina ny firenena. Fa misy manankorontana firenena ve eo sa mahana tsy henjehina satria izany no fomba fiady hahalalan’ny besinimaro azy? Izao indray dia tadiavina haongana sy lazaina fa marary saina ny filohana andrim-panjakana iray rehefa nanao ampamoaka ny nanjo azy. Sao mba tafahoatra e!? Firenena ity, an’ny Malagasy, fa tsy fananan’olon-tokana saingy mahavariana fa toa tadiavina hatao takalon’aina amin’ny fitiavan-tena politika, tadiavina hatao sorona amin’ny fibodoam-pahefana ka hanaovana ny tsy fanao, hitsakitsahina ny fiandrianam-pirenena ka ny vazaha taratasy no mitetika hanao valala nosamborim-boka hatrany an’ity Madagasikara izay rotiky ny tsy fahaiza-mitantana. Ampy kosa angamba izay e! Ampy izay ny fanjakazakana sy ny setrasetra politika izay noleferina hatrany efa ho 20 taona izao, ampy izay ny fiheverana fa fananan’olon-tokana I Madagasikara, fotoana izao handraisan’ny tena Malagasy ny firenena mba tena ho an’ny soa iombonana! Ampy izay, tena ampy!
Toky R

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

tsy fandriampahalemana,

Card image cap
19-mai-2025

eo amin’ny firenentsika. Tena misy eto famotehan’olona mivantana na ankolaka,

Card image cap