airtel

Edito

11-août-2022

Edito

Edito Ataovy matotra!

Sample post image

Ataovy “sérieux”, hoy ny fiteny mahazatra ny fiarahamonina ankehitriny izay! Ataovy matotra izy raha teny malagasy madio.

11-août-2022

Teo amin’ny Magro Behoririka ity tantara ity no nanomboka. Rakotra mpitandro filaminana hatreny Analakely teto Antananarivo tao anatina sabotsy miisa 2. Ny sabotsy voalohany, raha tsiahivina, dia nanakanana ireo mpanohitra izao fitondrana izao tsy hiditra tao amin’ity toerana voalaza teo izay mifefy ity ary fananana manokan’ny filohan’ny rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM koa. Ny sabotsy faharoa moa dia mbola fanakanana azy ireo tsy hiditra tao amin’io toerana io ihany koa kanefa fivorian’ny mpanohitra tao anatina trano teny amin’ny IT Station teo akaiky teo ihany indray no fandaharam-potoana ary tanteraka soamantsara tamin’iny fotoana iny moa izany. Raha andeha ataontsika hoe fitondrana jadona sy tsy mahazaka demokrasia na matahotra ny hiongana koa, sanatrian’izany, izany izao fitondrana izao dia mety azo heverina ihany hoe lojika raha nisy ny fandraisana fepetra toy ireo voatantara miisa 2 farany teo ireo. Eto Antananarivo avokoa no misy ireo lapa sy biraom-panjakana rehetra toy ny fiadidiana ny repoblika, ny minisitera, ny primatiora sy ny maro indrindra, raha resaka andrim-panjakana no lazaina. Eto ny filohan’ny repoblika no miasa anaty birao. Fihetseham-po samihafa kosa anefa no nitranga rehefa mbola nisy fanakanana fanehoan-kevitry ny mpanohitra indray omaly saingy tary an-dakira be tary, hoy ny fitenin’ny tanora. Tany Antsiranana io. Any amin’ny farany avaratr’I Madagasikara. Tao ny gaga, tao ny mbola sorena sy tezitra fa nahoana, tao kosa ireo tapa-tsinay araka ilay antony voalaza tery ambony indrindra tery hoe mba ataovy “serieux” lehiretsy a! Ataovy matotra! Sao dia mba tsy ho avela hanao fampihelezan-kevitra koa aza ny mpanohitra amin’ny fotoam-pifidianana manaraka eo? Inona indray ity sinema manaraka ity? Inona mihitsy izany no tena tadiavina sy tiana hitranga eto amin’ity firenena ity?
J. Mirija 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap