airtel

Edito

27-févr-2025

Edito

Hatramin’ny farany!

Sample post image

Hatramin’ny farany, raha jerena ny vita tao anatin’izay 5 taona naha filohan’ny repoblika ny

27-févr-2025

filoham-pirenena ankehitriny lany fanindroany hitondra an’i Madagasikara, Andry Nirina Rajoelina, izay izany, dia tsy nisy afa-tsy ny fifanenjehana tamin’ny mpanohitra ilay fitondràna no tena nisongadina tao anatin’ny hoe fanaovan’izao fitondràna izao politika teto Madagasikara. Miainga indray ity ny 5 taona faharoa dia mbola hoe tokony ho fongorina ny mpanohitra. Nahavitàna inona tokoa moa izany izay hoe fanenjehana ny mpanohitra na ireo izay nitsikera ny fitondràna ankehitriny izay? Aiza moa no tsy hipetraka hatrany ny fanontanian’ny mpanara-baovao samihafa hoe fa filoham-pirenena malagasy izany izao izany Andry Rajoelina izany sa filohan’ireo mpankafy ny loko volomboasary fotsiny ihany? Nahasoa ilay filoham-pirenena sy ny fitondràm-panjakàna tarihiny ve izany izao ilay tsy nihaino ny hevitra hafa ivelan’ilay fitondràna? Firy isan-jaton’ny vina napetraka tao anatin’iny fotoam-piasana voalohany iny no tontosa? Ny fonenana miisa 50.000 nampanantenaina tamin’izany aza moa ireny niaraha-nahita tamin’ny farany sy fiandohan’ny herinandro ireny fa noderaina raha nahatratra 3000 teo nefa efa aty amin’ny fotoam-piasana faharoa taty vao tontosa. Ny teleferika mikatso. Ny Fly over tsy hita. Ny tanàna vaovao tsy tazana. Ny tsy fandriampahalemana no mirongatra satria variana miambina ny kianjan’ny 13 may tsy hidiran’ny hetsiky ny ivelan’ny fitondràna ireo ao anatin’ny tafika malagasy na koa miandry ireo toerana toy ireo hotely lehibe tsy ivorian’ireo mpanao politika tsy mankasitra izao fomba itantanana ny firenena izao. Dia mbola ho toy izany hatramin’ny farany indray hatrany izany no «revy» hiainga eto, hoy ny filazan’ny tanora azy izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap