airtel

Edito

31-janv-2024

Edito Hipoitra ho azy eo ihany!

Firifiry izay zava-niseho teto amin’ny firenena nolazaina fa tsaho izay,

Sample post image

hoy ireo mpanara-baovao, kanefa rehefa nandeha teny ny fotoana dia voamarina fa

31-janv-2024

tena zava-nisy ihany taty aoriana izany? Tsy hiverina hitanisa ireny rehetra ireny moa fa dia hanamarina na handiso izay voalaza sy miseho eo hatrany tokoa ny fotoana. Hipoitra ho azy eo ihany! Maninona moa no tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny raharaham-pirenena? Hatramin’ny asana ben’ny tanàna aza ity lasa nataona governora? Maninona no lasa misy hoe filohana andrim-panjakana dia tsy tonga nanokatra fivoriana? Maninona no saika isan’andro no ahenoana tetikasa tsy mety manomboka atsy, tetikasa tsy mety manomboka aroa? Sora-bolabe firifiry moa no heno niraradraraka tamin’iny 5 taona fe-potoam-piasana voalohan’izao fitondrana izao nefa inona izany izao no vokatra misongadina ankoatran’ny firenena farany mahantra sy isan’ny manana vahoaka noana betsaka indrindra ilay firenena? Dia mbola hiziriziry tsy hivaky ihany ve fa misy fomba fitantanana efa tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ao? Tena iray tokoa ve ny fanohanana ilay fitondrana, izay rafitra ambony indrindra eto amin’ilay firenena? Eny amin’ny fiarahamonina eny, any amin’ny toeram-piasana samihafa any, eny, na any amin’ny toeram-pivavahana aza moa mbola ahitana ny hoe “sakaiza manody”, “mpandefina ivoho”, “mpiatsara ivelatsihy” ka mainka moa izany ka anatina rafitra izay nolazaina matetika fa vokatry ny tolona na koa hoe fanonganam-panjakana? Voalaza matetika fa azo tamin’ny fomba tsy mazava, verindroa, hala-bato, nanitsakitsaka lalàmpanorenana? Hipoitra ho azy eo ihany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hita miharihary amin’ny fitetezam-paritra ataony koa moa ny filoham-pirenena ary

Card image cap
16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap