airtel

Edito

17-avril-2026

Edito

Kajy politika!

Sample post image

Manahirana dia manahirana

17-avril-2026

amin’izao fotoana izao ny toe-draharaham-pirenena. Tsy misy izay tsy mahadinika izany kosa angamba na inona na inona firehana politika ananany eto amin’ity firenena ity! Maso tsy mahita ny karazam-pisamborana sy fiantsoana eny amin’ny karazana borigady na sampam-panadihadiana etsy sy eroa efa andrina, hoy ny fomba fitenin’ireo mpikabary izay. Samy mametra-panontaniana ny mpanara-baovao samihafa hoe dia sanatria ve mbola tsy niova ny fomba fanaovana politika na «pratique politique» eto Madagasikara? Inona izany hatreto no fanavaozana marina efa vita? Isan’ny miverimberina ny hoe toa ny nataon’ny teo aloha ihany, mbola mihoatra lavitra aza? Isan’ny heverina ho valiny nefa, ankilany, ny hoe tsy mora ny miady amin’ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao, izay efa nanomboka ny taona 1958, tamin’ny alalan’ny fanerena izao firenena izao hiditra tanatin’ny antsoina hoe repoblika. Nisy endrika zarazarao hanjakàna be dia be, izay politika frantsay koa tao, toy ny tamin’ny alalan’ny fivoizana ny resaka tanindrana sy merina, ohatra. Mbola mangeja ny vondrona iraisampirenena tahaka ny FMI na tahirim-bola iraisampirenena sy ny banky iraisampirenena. Ny firenena frantsay, izay voalaza ho nanjanaka nefa nambabo mihitsy tamin’izany fotoana moa, dia io mbola mangeja ny nosy manodidina ity firenena ity io. Santionan’ireo ady mila sedrain’ny olompirenena mahatsapa ny tenany ho mbola malagasy rehetra amin’izao fotoana izao izany ny fanoherana izany rehetra izany. Tsy ady ho an’izay mitondra eo samirery fa ho an’ny rehetra mihitsy. Nahavita nanery ny mpandraharaha ara-pifandraisan-davitra hampidina ny saram-pifandraisana ny fitondràna fanavaozana. Mety mbola tsy ampy izany, hoy ny maro, saingy mba efa nisy an’izay aloha. Nisy teratany vahiny maro heverina fa mikasa ny hifehy tanteraka ny tontolon’ny fandraharahana rehetra eto amin’ity firenena ity tao no nilefitra. Toy izany koa ny resaka JIRAMA. Mba nisy fihenany ny delestazy hatramin’izay nandraisan’izao fitondràna izao ny fitantanana ny firenena. Ekena ny mety ho mbola fisian’ilay antsoina hoe «forongony» na ireo antsoin’ny maro amin’ny ankapobeny hoe tsy maty voalavo an-kibo tanaty fitondràna teo aloha ka mbola anatin’izao fitondràna izao na manatokatona azy ao saingy izay moa no vokatry ny tarazom-panjanahana na ny marimarina kokoa tarazom-panababoana nampianarin’ireo mpa-nao ampihimamba iraisampirenena dia lasa tanteraka teto amin’ny firenena ny antsoina hoe «capture d’Etat» na «forongony tsy mamela mahazo!». Ny mbola isan’izany anaty fitondràna ankehitriny manao mpamosavy malemy miezaka manaratsy endrika ny fitondràna mijoro. Ny aty ivelany mampanahy ny mpanara-baovao hoe sao sanatria handrehitra afo? Mbola manahirana hatreto ny mamongotra kajy politika maloto ary indrisy fa mbola tsy tazana ilay Madagasikara ho avotra tanteraka sy afaka handroso!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap