airtel

Edito

13-janv-2023

Edito

Efa azo sary an-tsaina

Sample post image

Efa azo sary an-tsaina indray ny fanazavana mahazatra mba tsy hilazana hoe tsianjery maimbo avy amin’ireo

13-janv-2023

mpiaradia amin’izao fitondrana izao manoloana ny fanehoan-kery izay azo lazaina hoe fahombiazana tontosan’ny filohan’ny mpanohitra ity fitondrana ity sy ireo mpiaradia aminy tao Toliara omaly. Nandeha ny fampitam-baovao sy fitantarana moa toy ny hoe vaky ny barazin’ny mpitandro filaminana na koa hoe tsy nahasakana an’I Toliara ny fanakanan’ny mpitandro ny filaminana. Hita tamin’ireo horonantsary maro fa tena nisy tokoa izay mpitandro filaminana na fiarana mpitandro filaminana nihaodihaody teny amin’ireo toerana nisy ireo fihetsiketsehana izay. Handeha indray anefa izao ny serasera fa tena hita mihitsy hoe firenena demokratika I Madagasikara. Navela malalaka hihetsiketsika ny mpanohitra. Efa ambivitry ny hiala eo am-pelantanana rahateo ve moa ny fahefana ka tsy mba mody asiana an’izany kely aloha? Tahaka ireny tsy nosakatsakanana, mba tsy hilazana hoe norarana ireny mihitsy ery, ny fankalazana ny tsingerintaonan’ny antoko mpanohitra hany mbola afaka mifaninana amin’ny an’ny tena. Ohatran’ireny tsy nisy izany hetsika fitakiana zon’ny mpanjifa nosakanana izany ireny ery koa teto. Ohatran’ireny tsy nisy mpampaneno lakolosy mitohivakana voaantso teny amin’ny toby Ratsimandrava ireny mihitsy na sanatria teny Fiadanana mihitsy aza. Tsy maha te hampahatsiahy moa ny filaharan’ny fahalalahana hiteny sy maneho hevitra vokatry ny fanadihadian-drizareo “Reporter sans frontière” farany teo satria mba mampanongo tena sy mahamenatra ihany na dia miziriziry tsy mety miaiky ny tsy fahombiazany aza ny tomponandraikitra voakasika mivantana amin’izany eto amin’ity firenena ity. Mbola tsy fahita tao anatin’ny 60 taona, izay moa ilay fomba fiteny malaza, kosa anefa raha tsy vao izao izany hoe giazana hatrany amin’ny tambazotra satelita izany ny haino aman-jery sasany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap