tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Edito

Efa basy atifi-kavana!

Efa basy atifi-kavana! Izay no azo ilazana ny tsikera hita ho miantefa avy hatrany any amin’ny primatiora ankehitriny mba tsy hilazana mivantana hoe ny praiminisitra.

03-mars-2023

Sample post image

Io ilay tonga amin’ny fitenin’ny Ntaolo hoe tsy afenina fa arangaranga. Iza moa izany izao sisa no tsy nilaza fa manitsoka dosie ny praiminisitra lehibe ny governemanta. Mahay manasonia izany ihany anefa rehefa misy grevy kay, hoy ry zareo teo anivon’ny SECES izay. Vao omaly koa iny ny filohan’ny vaomiera misahana ny resaka tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena no nanamafy ny fisian’izany tamin’ny alalan’ny hita ho sarim-pangatahana ihany, mba tsy hilazana hoe toa moduy fangatahana ny praiminisitra mba hijery ny momba ireo taratasy mikasika ny ady tany eto Madagasikara. Hatramin’ireo mpandinika sy mpamakafaka, maro no efa hita ho niaiky fa raha nisy ny praiminisitra tsy nahitana fahombiazana indrindra hatramin’izay nisy teto Madagasikara dia ity praiminisitra ankehitriny ity nefa dia mahagaga fa izy no naharitra indrindra tamin’ireo rehetra efa nandalo. Na eo aza anefa izany tsikera rehetra izany dia sarotra koa ny tsy hilaza fa efa naman’ny rano raraka ho an’izao fitondrana izao ny mbola fitazomana azy amin’ny toerany mandrak’ankehitriny na dia efa nisy aza ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny maro an’isa tamin’ireo depiote. Mampametra-panontaniana toa adaladala ihany indraindray ny fisian’ny toe-javatra toy izany hoe ahagaga ve raha tsy mahalala intsony ny tena tokony ho andraikiny koa ilay filoham-pirenena fa ilaozany mizarazara vary masaka sy mamantsipantsika dabilio sisa? Hahagaga ve raha mbola fizarazarana jiro “cobra” eny amin’ny tontolo ambanivohitra hatramin’izao no mba hany misongadina rehefa miresaka angovo eto amin’ity firenena ity? Ny an’olona anefa efa resaka hoe mandeha amin’ny herinaratra ny azy fiarakodia. Ny an’ny sasany efa mampidera hoe misy tanana tsy miantehitra amina herinaratra intsony ao aminy fa efa masoandro daholo ny azy no loharanon’angovo. Dia toy izany sy toy izany hatrany sisa ilay fiainam-pirenena eto amin’ity tanindrazana malalantsika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manabarabara daholo !
26-mai-2023

Asa moa hoe nanao ahoana izao ny lalam-pirenena faha 13 ao na amin’ny mbola tokony hanaovana politika sa tsy tokony hanaovana intsony araka ny fampanantenan’ny filoham-pirenena.

Card image cap
Izay alehany any hidonany ?
25-mai-2023

Enga anie ka ny hamisavisana ny ratsy tokoa no hiavian’ny soa fa mampanahy be ihany ny sary politika eto amin’ny tany sy ny amin’izao ankatoky ny fifianana izao.

Voir plus