airtel

Edito

15-mars-2023

Edito

Efa ho lany atao

Sample post image

Ekena fa azo sokajiana ho olo-malaza ny mpilalao kitra iray, indrindra, fa efa niaro ny voninahim-pirenena tao anatin’ny ekipam-pirenena no sady nanoratra tantara teto amin’ny firenena mihitsy.

15-mars-2023

Tsy maninona, tononina eto hoe efa tody tany amin’ny ampahefa-dalan’ny amboaran’I Afrika teo amin’ny taranja baolina kitra na CAN sy isan’ireo nahazo medaly alimo tany amin’ny tompondakan’I Afrika farany teo na CHAN. Ekena ihany koa fa tanora izy, olompirenena malagasy monina eto Madagasikara satria eto ny klioba ilalaovany izao saingy na atao hoe amin’ny saina tsy voatery handinika lavitra akory aza ve dia tsy mahatsapa ny vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana hoe mahatsikaiky ihany na “ridicule” ny hoe izy, amin’ny maha olompirenena azy, no mandeha misoratra anarana ho isan’ireo mpifidy dia ny filohan’ilay rafitra voalaza teo mihitsy no mandeha mitotototo miaraka amin’ny mpanao gazety maneho hoe izy fa misoratra? Dia ahoana izany ny fijerin’ireo olo-malaza hafa mitovy sata amin’iny kintan’ny baolina kitra iny? Ho sarihina hanao toy ireny koa ve na vonjena hanaovana serasera toy ireny rehefa tonga manatona eny amin’ireo fokontany tandrify azy? Dia ho diso indray ve ny olompirenena avy raha hanitatra ny adihevitra hoe aza savihina amin’ny resaka politika ilay zavakanto na ny fanatanjahantena na iny niseho omaly iny dia ny baolina kitra? Ho avy moa ny 23 martsa izay hanohizana fiadiana ny tapakila hanaovana CAN etsy amin’ny kianja Barea indray ka dia asa hoe hanao ahoana indray ny mety hiseho? Ireny ve no isan’ny fomba entina hanakomana ireo tsikera maro momba ny tsy fahaleovantenan’ilay CENI? Sa hanakomana ireo endrika tsy fandriampahalemana maro eny amin’ny lalana hatramin’ny fifamoivoizana an-dranomasina toy ilay namoizana aina miisa 22 fara fahakeliny farany teo? Na koa ve hoe ireny fotsiny tsotra izao no hanakonana ilay tsy fahombiazam-pitantanana ankehitriny? Asa aloha izay fanazavana hafa fa mampahatsiahy ilay fomba fiteny fahiny efa ho lany atao izy ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap