Na ny fitondram-panjakana aza mampametra-panontaniana hoe efa tena lasa izay fanazarana anaty tsy fampanjariana izay mihitsy ve no ataony idealy amin’ny politikany sa efa tafidina ambany toy ny an’ny valalabemandry ihany koa hatramin’ny fihevitra politikany? Efa zatra tsy fanjariana toy ny maro an’isa ihany koa. Misy mahavita rima sy tononkalo maro mihitsy ary tsy iray, tsy roa fa maro entina mitantara ny fako misavovona sy ny lalana feno lavaka. Io indray koa izao fa miverina ny hoe fitsirihana eny amin’ny tsena fa manararaotra ny mpivarotra sasany. Tsy nisy fepetra azo noraisina mialoha mihitsy hifehezana izany fampiakarana vidin’entana izany? Efa zatra daholo hatrany amin’ny farany ambany ka hatrany amin’ny farany ambony. Ny firenen-kafa efa mifaninana amin’ny fizarana fitaovana nomerika avo lenta isan-karazany ny antsika na fizarana masinina fanoratana iray sy roa sy solosaina tokana ho ana rafitra iray heverina fa misahana andraikitra goavana any ifotony any aza dia ireharehana na hoe hi-weraweran’ireo solontenan’ny fitondrana foibe tokoa!
J. Mirija
Asa moa hoe nanao ahoana izao ny lalam-pirenena faha 13 ao na amin’ny mbola tokony hanaovana politika sa tsy tokony hanaovana intsony araka ny fampanantenan’ny filoham-pirenena.
Enga anie ka ny hamisavisana ny ratsy tokoa no hiavian’ny soa fa mampanahy be ihany ny sary politika eto amin’ny tany sy ny amin’izao ankatoky ny fifianana izao.