amin'ny fifaninana masina atao eto amin'ny firenena dia ny fifidianana filohan'ny repoblika ny faha 9 novambra 2023, hoy ny tomponandraikitra azo lazaina ho isan’ny akaiky indrindra tamin’ity filoham-pirenena teo aloha ity tao amin’ny fiadidiana ny repoblika tao, Rinah Rakotomanga. Toko telo mahamasa-nahandro ilay isa, hoy izy. Efa vonona ireo nahandro ka isika miaraka no mahamasaka azy. Midika zavatra maro io isa io na ara-piarahamonina na ara-pinoana. Telo izay iray ao anatin'ny finoana “monothéiste” dia manana ny lanjany manokana tahaka ny ray sy ny zanaka ary ny fanahy masina. Satria ireto 3 ireto no mitoetra; ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana, fa ny fitiavana no lehibe indrindra, ho an'ny Kristianina. Tsara ny famerenana in-3 ny fangatahana atao ho an'ny finoana Silamo ary ho antsika malagasy dia manantitrantitra in-3 miantoana mba hanamafisana tsara ny tiana ambara. Misy hasiny ary misy dikany matoa lasa 3 ilay isa ary navela hoan'i filoha Andry Rajoelina mihitsy izay nanao ny antsapaka farany ilay izy rehefa avy nisafidy ireo rehetra kandida. Isa masina ny isa 3, hoy hatrany ny tenany. Samy efa nahita izay fomba nandokafana ny laharana voasariny avy moa ireo kandida ary saika nahita andinin-tsoratra masina nifanandrify tamin’izany avokoa. Irariana mba tena hipetraka ho fifaninanana masina, araka izay hirahirana azy lalandava izay tokoa ity fifidianana filoham-pirenena indray mitoraka ity. Be ny fanahian’ireo mpifaninana amin’ny kandidam-panjakana. Tsy mitovy ny herijika omena ireo kandida. Izao sahady dia efa ahitana fitanilanana matetika ny fahafahana mitety faritra sy manao hetsika. Ny kandida laharana faha 3 voalaza eto sy ny ekipany afaka manao hetsika any amin’izay tiany rehetra. Ireo kandida mpanohitra kosa vokisana lakrimozenina, hoy ny filazan’ny mpanao politika Patrick Raharimanana azy izay omaly. Omaly fotsiny dia efa tsikaritra ho nanao fihetsika toa mitanila ireo minisitra sasantsasany izay heverina ankehitriny fa efa manana sata maha mpiara-mitantana fa fanjakana na “chef d’Etat” miaraka amin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta. Enga anie mba ho fifaninanana masina tokoa satria dia maha kely finoana ireo mpanara-baovao aloha!
J. Mirija
dia Madagasikara no hany sisa taraiky, mbola manindraindra fatratra ny firenena frantsay