airtel

Edito

02-févr-2022

Edito

Fahazarana sarotra ialana

Sample post image

Na hitanisa faha zato faha arivo eo aza ny mpamakafaka karazany rehetra izay misy fa 7,3% teo ny harin-karena hatramin’ny taona 2008. Tafidina 0% izany tao anatin’ny tetezamita taorian’io.

02-févr-2022

Tafakatra 5% mahery indray avy eo hatramin’ny taona 2018 saingy ankehitriny dia miiba na lasa -7% mahery izany harin-karem-pirenena izany dia toa tsy ho azo an-tsaina hiheritreritra ny anton’izany intsony angamba izao fitondrana izao. Toy ny efa fahazarana sarotra ialana ilay mamono afo sy manao tapimaso araka ny fitenenana amin’ny alalan’ilay fanaovan vatsy tsinjo sy tosika fameno nandimby ireo tolotra sosialy natao tany amin’ny taona 2009 sy ny manodidina azy tany ho any. Tsy mahagaga raha tsy hahalala fandrosoana sy fampandrosoana intsony avy eo ilay firenena satria na ny politikan’ny fiarenana ara-toekarena na ny tena jery lavitra momba ny fiainana ara-tsosialy tokony hifampiankina amin’izany dia hita ho tsy voajery intsony. Miteny indray moa izao ireo mpiaradia amin’ny fitondrana hoe tsy efa fitsinjovana ny sosialy ve ity vary tsinjo 20.000 taonina mahery ity? 60.000 taonina any ho any mihitsy aza, hono, no mbola ho tratrarina! Ekena! Saingy hitsinjo ny fiveloman’ireo traboina maharitra ve izany? Hahafahany manarina ny fahavoazany sy ny fihariany ve? Raha sanatria isan’ireo tototr’iny ranobe nandalo iny ny tanimbariny? Fotsimbary sa masomboly, ohatra, ve no ilainy ao anatin’izany? Mandindona indray io izany ny rivodoza manaraka. Azo antoka fa tsy hiverina ho traboina ve ireny traboina teo ireny na sanatrian’izany hiampy isa aza? Efa ela ihany no nanoroana izany hoe fitsinjovana mialoha izany no atao hoe mitondra saingy izay foana moa ilay zava-misy nifandovana teo amin’ity fitantanana an’ity Madagasikara ity. Izay tafiakatra eo dia mahay be daholo. Tsy misy azo atoro. Tao anatin’ny tetezamita notarihin’izao fitondrana izao no nampitotongana ny harinkarena ho 0% ary tao anatin’izao fitondrana izao, izay efa repoblika fa tsy tetezamita intsony, no vao maika nitsotsorika ho miiba 7% mahery izany. Inona moa no maha samihafa ny fomba fitantanana tao anaty tetezamita sy ny amin’izao anefa ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap