airtel

Edito

05-févr-2025

Fampandrosoana sa varotra?

«Madagasikara tsy maintsy mandroso!»,

Sample post image

filamatry ny fitondràna ankehitriny, izay tsy hay adinoina mihitsy izay tato anatin’ny 6 taona izao.

05-févr-2025

Samy mahay mamaly avokoa anefa ankehitriny ny ankamaroan’ny olompirenena hoe «mbola Madagasikara tsy mety mandroso hatreto no tontosa». Saika ahitàna fihemorana avokoa ny sehatra rehetra na ny lafiny ara-toekarena io na sosialy, hatramin’ny fanatanjahantena sy ny hafa tsy voatanisa. Miandry ny fivoaran’ny tarehimarika avoakan’ny banky iraisampirenena sy ny tahirim-bola iraisampirenena moa isika eto hoe mba efa akaiky ihany ve ny fotoana hilazàn’izy ireo amin’izay fa, fara-faha ratsiny, efa firenena an-dalam-pandrosoana i Madagasikara fa tsy mahantra indrindra intsony? Fampandrosoana tokoa moa izany sa naman’ny varotra tanindrazana an-kolaka ihany no azo ilazàna ity fomba fiasan’ny fitondràm-panjakàna ankehitriny ity? Miresaka isika ny tontolon’ny jono dia tsy nisy izay tsy nahatadidy ilay fanomezana alalana an-karihary avy amin’ny minisitera misahana izany an-drizareo aziatika hitantana ny hazandrano manontolo ao amin’ilay fari-dranomasintsika mihitsy ary aman-taonany maro no hamelàna azy ireo hanao izany. Tsy efa naman’ny namidy ve izany ilay fari-dranomasina no dikan’izany? Miresaka famelàna orinasa vahiny eto hitrandraka harena an-kibon’ny tany dia hoe tsy amidy io fa ampiasain-drizareo mandritry ny 90 taona fotsiny. Azo antoka ve fa mbola ho antsika malagasy izany toerana izany rehefa tapitra mikipy ny masontsika rehetra velona ireto rehefa tapitra izany taona lava be izany? Mampahatsiaro ny tenina mpanakanto sady mpandinika iray izay hoe handova dezaka eto izany isika. Io izao ny fihariana mikasika ny vary izay tsy vitan’ny hoe foto-tsakafon’ny malagasy nandritry ny taonjato maro fotsiny fa sady fihariany nananany ny maha izy azy mihitsy dia bahanana amin’ny fanafarana vary sy kolotsaim-pambolem-bary any Chine avy any. Tsy inona moa io fa ilay antsoina hoe «riz hybride» na vary safiotra. Aiza ho aiza amin’izany rehetra izany ny antsoina hoe fampandrosoana ny fambolena anatiny ary? Tsy ny famokarana ve nefa moa no fototry ny fampandrosoana? Hanao ahoana ny hoavin’ireo tantsaha malagasy izay mameno ny 80%n’ireo mponina, hoy ny tsianjerintsika? Tena hahasoa ny toekarena malagasy ve ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin’izao fitondràna izao hatreto? Tena hahavita hanarina ny toekarena ve? Fampandrosoana marina sa varotra no atao eto? Fampandrosoana sa varotra?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-mai-2025

olom-pirenena zary mety mahalala tsianjery

Card image cap
15-mai-2025

kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo

Card image cap