airtel

Edito

10-juin-2025

Fanahy masina nilatsaka no antenaina!

Vita indray iny ny fetin’ny Pentekosta, izay fety Kristianina

Sample post image

nahatsiarovana ny nandraisan’ireo mpanaradia izany Jesoa Kristy

10-juin-2025

izany tamin’ny fotoan’androny, izany hoe ireo Kristianina voalohany indrindra teto ambonin’ity tany ity, ny atao hoe fanahy masina. Taona arivo miisa 2 izay no lasa, tsaroan’ny mpino Kristianina foana izany vanin’andro lehibe teo amin’ny tantaran’ny finoany izany. Rehefa nandray ny fanahy masina ireo mpino dia nanao asa goavana maro hatramin’ny tsy takatry ny sainy akory, nitory ny filazantsaran’ilay mpampianatra azy dia Jesoa Kristy tamim-pahasahiana, nanao fahagagana, nanasitrana ireo mpiara-belona taminy, izany hoe nanao izay heverina ho asa tsara rehetra teto amin’ity tany ity. Samy milaza azy ho Kristianina avokoa moa izay mpitondra malagasy rehetra nandalo. Ny ankamaroan’ireo mpitondra ankehitriny koa dia ireny niarahantsika nahita ireny. Firariantsoa sy teny ao anaty Baiboly no nameno ny rindrin’ny ankamaroany tao anaty tambazotran-tserasera tao. Teo ihany koa ny fampisehoana ireo sary isan-karazany izay maneho fa isan’ny nivavaka nandray izany filatsahan’ny fanahy masina izany ny isanisany satria tonga ny pentekosta, fotoana natao indrindra handraisana izany fanahy masina izany. Fanahy masina nilatsaka tokoa moa izany no antenaina koa ankehitriny amin’ny fitantanana ity firenena ity ary somary naha lasa saina ihany tato anatin’ny herinandro izao ny karazana antso nataon’ireo mpisehatra politika sy ara-tsosialy ny amin’ny tokony hifantohan’ity vahoaka malagasy ity amin’ny lafiny ara-panahy satria dia natao daholo izao tsikera samihafa izao, natolotra daholo ity vahaolana rehetra ity, nomena ny famakafakàna samihafa mba hahafahan’ilay fitondràna na ireo mpitondra mijery hoe inona marina izany no tena tokony ho laharam-pahamehana eto amin’ity firenena ity? Inona no maika sy afaka manatsara amin’izay ity fiainam-bahoaka ity saingy moa ve nisy mpitondra nihaino izany rehetra izany? Ireo mba milaza ny heviny sy manome vahaolana foana hatramin’izao no mbola lazaina fa fahavalon’ny fampandrosoana. Efa hitan’izao tontolo izao fa tsy mandeha amin’izay laoniny efa ela ilay fiainam-pirenena eto Madagasikara kanefa ny fitondràna mijoro ankehitriny dia mbola mahita fa raha izao lalana izorany izao no tohizana hatrany dia «Madagasikara tsy maintsy mandroso!». Izay ihany! Andrasana, araka izany, manomboka androany hoe hanao ahoana ihany ny fitantanana ity firenena ity taorian’izay antenaina ho fotoana nandraisana fanahy masina izay? Moa ve mba tena hisy fanapahan-kevitra hiantraika amin’ny aty vilanim-bahoaka maharitra amin’izay? Tsy misy sahy handà angamba hoe izany izao no ilaina ka fanahy masina nilatsaka no antenaina!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

hitan’ny vahoaka Malagasy intsony izay inoana sy harahina ankehitriny.

Card image cap
12-juin-2025

hoy ny filazantsika malagasy azy izay.

Card image cap