airtel

Edito

15-déc-2021

Edito

Fandrorana mitsilany mitohy

Sample post image

Asa izay hiafaran’ny tontolo iainana eto amin’ny firenena amin’ity fandrorana mitsilany mitohy ataontsika olom-pirenena Malagasy sy ireo mpitondra antsika ity!

15-déc-2021

 Tsy ny rano sy ny ala ihany akory eto no resaka fa ilay fiarahamonina manontolo izay hanjakan’ny fifanambakana sy tsy fandriampahalemana hatramin’izao mihitsy. Mbola voamarina ihany koa fa anjakan’ny fahalovana sy tsy fangaraharahana. Na inona fanazavana, na ho lazaina hatrany aza fa zavam-pisy matetika ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ohatra, ny fitakian’ny mpamatsy vola trosa na fanazavana mikasika ny lalam-bola nampindraminy dia trangan-javatra natao hahamenatra ny mpitantana hatrany izany. Asakasak’izay mpitondra tsy hahalala menatra kosa angamba. Fara fahakeliny ihany anefa ny resaka henatra fa mety hanampy trotraka ny fahasahiranan’ny firenena ihany koa ny fitomboan’ny tsy fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka, mba tsy hamerenana ilay hoe mpamatsy vola, ireo mpitondra Malagasy. Tsy vao sambany no nisian’izany tranga voalaza rehetra izany tato anatin’izay 3 taona mahery izay ary na ny hitanisa azy ireny indray koa aza mba maha menatra ihany amin’ny maha olompirenena tomponandraikitra. Sady te hiafina ianao no te hanongo tena mitanisa ilay hoe nisy an’izany raharaha “ecran plat” sy “bonbon sucette” izany anie teto. Nisy izany volamena 73,5 kilao izany. Handia ny faha 3 taonany koa io ny fitakian’olona ny mangarahara momba ny vola nampiasaina nitantanana ny Covid 19. Ny volan’ny banky iraisam-pirenena iny moa hoe efa voaloan’ny orinasa Jirama izay iaraha-mahalala ankehitriny fa efa mitsipozipozy sy tsy mety mahafa-po fa mahasorena vahoaka matetika ity. Ny eto an-drenivohitra moa dia mbola miandry ny tamberin’andraikiny amin’ny mpitantana ireo mponina manoloana ity fako misavovona sy zaridaina tsy azo idirana ity kanefa etsy ankilany ny bizina an-kolaka toa mandeha ihany amin’ny alalan’ireo hetran-trano mampitaraina ho midangana sy ny fiantsonam-piara toa iniana atao tery mihitsy mba hipaingorana ireo mponina amin’ny “Taquet d’arrêt” isak’izay mihetsika? Efa hita ho tsy nahavaha olana sy naha voateny matetika koa io ny fandokoana lokon’antoko ireo tranom-panjakana kanefa dia mbola atao ihany. Mitohy mandrora mitsilany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap