aleo samy mamoky ny tenany fa tsy mis azo antenaina izao eto e ! Fa nahoana no tonga any amin’izany, inona no olana, izano rangory fototry ny afo.Fitateram-bahoaka manondrana, fananana iombonana ongotana tsotra izao. Toa mitazatazana fotsiny ny mpitandro ny filaminana , mpampihatra ny lalàna, sa mbola mandinika sy miandry toromarika aloha. Marary ny fiarahamonina, miha very ireo soatoavina, ny resaka hoe fanajana ny maha olona izany moa dia efa tahaka ny hoe angano.asa hoe ho aiza ihany ity Ramalagsy ity, mitady tsy hisy arofanina intsony fa tena samy mandeha samy mitady, arak’ilay hira.Tsy ho to mihitsy anefa ny fampandrosoana ny firenena raha samy tia tena tahaka io.Izaymitambatra vato, fa izay misaraka fasika.Moa tsy efa mazava be izany. Ny fiainana sy ny fomba natao teto , indrindra teo amin’ny sehatry ny fanaovana politika no nampisitra lasitra hafahafa tanyanaty sain’ny olona, lazaina hoe hanao fanovana, kay fanimbana no nitranga.
RTT
kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo