airtel

Edito

28-févr-2025

Fanina daholo!

Fanina daholo izany izao, asa hoe ny eo anivon’ny fitondràm-panjakàna sy ny

Sample post image

mpanaradia azy ihany ve no tsy fanina manoloana ny toe-draharaha mitranga

28-févr-2025

eto amin’ny firenena ankehitriny fa ny mpanara-baovao aloha dia maro no maneho fa fanina? Tao anatin’ny 6 taona izao, naroso teo daholo ny Velirano, ny PEM, ny IEM, ny PGE saingy samy mametra-panontaniana isika ankehitriny hoe aiza ho aiza ny fandehany, hoy ilay fomba fiteny izay? Na ilay nataon’ny filoham-pirenena batisa hoe «Plan Marshall» na drafitra Marshall ho fanarenana ny rotiky ny COVID 19 tafiditra teto ny taona 2020 aza mampametra-panontaniana hoe taiza no nanomboka dia taiza no nifarana? Ny atao hoe «Plan Marshall» moa raha hazavaina tsotsotra dia tsy petra-kevitra na «concept» ana malagasy akory izy io. Izany hoe tsy ny filoham-pirenentsika akory, raha ny tena marina no namorona an’izany, fa praograma amerikanina tao aorian’ny faharavan’i Eoropa ny taona 1948 io rehefa avy rotiky ny ady lehibe faharoa. Nanolotra drafi-panarenana, noho izany, ity mpahaitoekarena amerikanina antsoina hoe Marshall ity hanavotana an’i Eoropa vetivety ary dia io hitantsika ankehitriny io moa izany i Eoropa sy ny firoboroboany ara-toekarena indray. Tafarina i Eoropa nefa ny amerikanina no nanolotra ny drafitra hanarenana azy. Aiza ny fanarenana an’i Madagasikara izay tsy hoe ravan’izany ady lehibe izany akory na sanatria nandalo ady an-trano mahatsiravina toy ny tao Rwanda ny taona 1994? Tsy ho adino intsony teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao koa izany nahazo ny tanànan’i Hiroshima, izay nanana mponina miisa 340.000, sy Nagasaki, nanana mponina 195.000 izany ny 6 sy 9 aogositra 1945 tany Japon. Mbola daroka baomba nataon’ny amerikanina ihany. Rava ny tanàna saingy ny japoney ihany no nanarina azy ary isan’ireo firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany izy ankehitriny nefa tangoro-nosy faran’izay madinika. Mafy noho ny olan’ny JIRAMA ve ny olan-drizareo tamin’izany fotoana izany? Nahavita nanova ny rafi-pitantanany tamin’ny alalan’ny fametrahana ny antsoina hoe «Glasnost» sy «Perestroïka» izany ny sovietika ny oktobra 1985 hatramin’ny taona 1991. Fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy izany. Ankehitriny, io iaraha-mahita fa mitady hahavita hamadika ambony ambany ny lamina maneran-tany mihitsy io izany Rosia na Firaisana sovietika sy URSS taloha izany. Ny olona nahavita izao karazam-panarenana rehetra izao tanaty fotoana fohy tsy nila werawera. Isika ity variana mankalaza amboara anaty fahantrana!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

7 taona mahery no nitondràny amin’ny maha filohan’ny repoblika malagasy azy,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap