hoe fiarahamonina malagasy izany, faha vazimba io, aza dia nisy karazana lesona maro niafara tamin’ireo fiforonana ohabolana sy oha-pitenenan’ny teo aloha na Ntaolo, hoy isika tamin’izany fotoana izany. Ny nahatonga ny fitondràna mpanjaka lasa resy tosiky ny fihaniham-bohitra frantsay koa dia lesona natao ho saintsainina aty aoriana hoe matoa nahita irika nahatongavana tamin’izany ireo mpanani-bohitra ireo dia nisy kilema hitany tao ary izay kilema izay matoa hitany ihany ny farany na dia efa an’arivo taona aza no notrandrahany dia nisy mpamadika tao, raha vantanina ny resaka. Taorian’izay moa dia fantantsika ny tohiny, teo ambany fifehezan’ny firenena frantsay, mba tsy ilazàna hoe ambany fanandevozany, isika nandritry ny 64 taona. Nomeny ny fahaleovantena ny taona 1960 saingy 65 mahery aty aoriana indray isika io no miresaka, mbola tsy tafavoaka anaty fahantrana aloha ny firenena. isan’ny anton’ny tolona nanoheran’ny herivelona ny fitondràna Tsiranana ny taona 1972 ny fiheverana fa sarintsarim-pahaleovantena no nomena an’ity Madagasikara ity tamin’ny 1960. Mbola nentina nidina an-dalambe nampitroatra vahoaka toy ny tamin’ny taona 1947 ihany anefa izany tolona izany dia niverina indray avy eo ny toy ireny ny taona 1991, 2002, 2009, 2018 ary farany teo moa ny taona 2025. Hatreto izany aloha isika olompirenena malagasy, izay nosoloin’ireo antsoina hoe «mpitolona» tena dia mbola tsy nahita fomba nahafahana nanohitra ny antsoina hoe endrika famarotana tanindrazana na tsy fahaiza-mitantana na tsy rariny niseho teto amin’ity firenena ity afa-tsy tamin’ny alalan’ny fidinana an-dalambe na koa hoe «tolom-bahoaka». Iny hatrany no neverina fa demokrasia mivantana sy demokrasia nadio indrindra satria tsy nisy niasàna saina amin’izay CENI na HCC maloto sy halabato na hala-pifidianana na dia teo aza ny risika goavana niseho hatramin’izay dia ny hoe mety ho voafitaka ireo mpitolona na ireo vahoaka. Ny heverina ho zava-dehibe nentin’ny tolona nisy farany teo kosa nefa, na izany na tsy izany, dia ny indramana kely ny fomba filazan’ilay mpitondra fivavahana iray azy izay hoe «afaka aloha ny omby mitondraka!». Miezaka manafay ireo heveriny ho fanetribe teto amin’ity firenena ity ihany koa, ankilan’izay ny fitondràna mijoro amin’izao fotoana izao. Ny fanontaniana goavana mipetraka hatramin’izay ka hatramin’izao kosa dia ny hoe ahoana no ahafahana tsy mamerina fipoahana krizy eto amin’ity firenena ity intsony? Ny vahaolana momba an’izay izany izao no mila tadiavina sy ampiharina haingana. Fara faha ratsiny mianatra lesona nanoloana ireo tantara efa lasa aloha raha sanatria mbola tsy haka lesona ihany!
J. Mirija