Ny malagasy koa efa fantatra karazan’ireo vahoaka tia fety. Isan’ny singa anaty haitoetra momba ny vahoaka na “psychologie de la foule” mbola mamatotra ny ankamaroantsika io. Mirentirenty i Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara dia adinontsika mianankavy kely indray aloha ny adim-piainana miha mafy hatrehin’ny maro an’isa, hoy ny filazan’ireo mpandinika raharaham-pirenena azy izay. Mandeha koa famakafakan’ireo mpiaradia amin’ny fitondrana sasany mikasika ny horakoraka sy siotsioka nahazo ny filoham-pirenena nihatra teny Analakely farany teo. Raikitra ny fampitahana ny zahatra amin’ny lakana mba tsy hilazana hoe firenena mahantra amin’ny manan-karena. Iaraha-mahalala fa olon’ny fo ny malagasy. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny antsasa-manila ary ahiana efa mihoatra aza. Ilay firenena nanaovana ny fampitahana kosa dia itoerana olompirenena misitraka sy avy nampisitrahana fanabeazana sahaza azy fa tsy navela hitotongana ambany dia ambany toy ny aty amintsika. Norakorahan’ny olona tokoa ny filoham-pireneny ary nisy fotoana aza voafelaky ny sasany amin’izy ireo teha-maina mihitsy. Mbola niverenany nofidiana tokoa anefa noho ny fiheverana, hono, fa hany afaka mitantana sy mifehy ny krizy any an-toerana. Ny filoham-pirenena malagasy ary ve izao mahay mitantana sy mifehy ny krizy eto Madagasikara? Azo hanaporofoana izany ve ny efa nandalovana harinkarena miiba na -7% mahery be izao? Ny karaman’ny mpiasam-panjakana hatramin’ny tsy miankina tsy vitan’ny hoe tsy mifanaraka amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana eto fa dia efa mananontanona ny hahena koa izany rehefa tonga io taona vaovao io. Ny JIRAMA faran’izay tsy tomombana nefa ny teleferika izay mila angovo sy herinaratra maherivaika no maha mendy. Santionany amin’ireo tsy voatanisa marobe izany saingy ampy hametrahana ilay fanontaniana hoe afaka hifehy sy hitantana, indrindra, hahavaha izao krizy izao tokoa ve ity filoham-pirenena ity sy ny fitondrany ankehitriny ?
J. Mirija
dingana ara-pifidianana indray taorian’ny fitantanana 5 taona, izay ny rehetra no afaka mandrefy hoe:
ankamaroan’ny malagasy loatra rehefa politika no resaka, indrindra, ny taona 2009 no nankaty. Isan’izany, ohatra, ny voambolana hoe “etika” na “tandrohasina”.