airtel

Edito

12-janv-2023

Edito

Fialana bala sy fanamarinan-tena foana…

Sample post image

Ekena fa sarotra tokoa ny mitantana firenena, ka izay no tokony handinihana lalina satria tena tsy mety ilay hoe: eny am-pandrasana mahita ny atiny.

12-janv-2023

Miharihary anefa ankehitriny, ary tena voaporofo fa tsy niomana hitondra firenena ny mpitondra ankehitriny, fa niomana haka sy handrombaka fahefana fotsiny ihany. Tsy takona hafenina tahaka ny tafika andrefan-tànana ny lavaka mangitsokitsoky ny tsy fahaiza-mitantana tao anatin’ny 4 taona. Ny fahasimbana sy ny fahampotehana tsy nisy tao anatin’ny 60 taona no indro nitambatra ampizaikaina ny Malagasy amin’izao vanim-potoana izao. Tsy finiavana hanakiana sy hitsikera, fa tsy mbola niaina tahaka izao ny vahoaka hatramin’ny nahatsiarovana saina, ary na misy aza ny vanim-potoana mety mitovitovy amin’izao tany aloha, dia midika izany fa nihemotra fa tsy niroso isika. Miharihary ankehitriny fa mila olona tena mahalala tsara an’I Madagasikara ity firenena ity, mila olona tena manana politikam-pampandrosoana sy fandaharan’asa mazava mifanaraka amin’ny Malagasy sy ny zava-misy eto amin’ny firenena, fa tsy zavatra manidintsidina sanatria toa revin-gadra sendra tonga tao an’eritreritra. Fanodinana ny raharaham-pirenena aza tsy voafehy sy misavoritaka ambony ambany ka asa fampandrosoana inona no azo antenaina ho vanona ato anatin’ny 7 volana farany? Safotra sy sempotry ny olana, hany ka ny serasera sisa no lalaovina sy ampiadiana tahaka io hoe: misy fivarotan-janaka sa tsia any Ikongo? Vao misy toe-javatra iray dia mikorapaka etsy sy eroa toa tsy mahatoky tena intsony satria toa tsy misy zavatra tena voafehy. Tanisaina hanadiovan-tena lava ny krizin’ny coronavirus efa tany amin’ny taona 2020 no tena nampahery vaika azy, ny ady any Ukraine, ny loza voajanahary nolalovan’ny firenena,… Marina mafy na ny mpitondra any Russie sy Ukraine aza hiala bala sy hanadio tena lava hoe: tsy vita izao sy izao noho ny ady? Raha raisina amin’ny endriny miabo, ny fisian’ny coronavirus anie ka nahazoan’I Madagasikara fanampiana manodidina ny 1 miliara dolara fa moa mba natao tsara tantana sy nijerena ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka ve? Miankina amin’ny ady any Ukraine ve ny tsy fahavitan’ny làlam-pirenena fikojakojana ny làlam-pirenena ka izay aleha ankehitriny dia potika sy rava avokoa ary ho henjana ny fanarenana? Ny ady any Ukraine ve no mampitotongana ny sandam-bolantsika izay tsy mbola hita tao anatin’ny 60 taona sa ny tsy fahaiza-mitantana? Ny coronavirus sy ny ady any Ukraine ve no mahatonga ny mpamatsy vola ho mailo ka tsy hanome afatsy pitipitiny an-tapitrisa dolara kanefa ny an’ny firenen-kafa amina miliara dolara sa noho ny kolikoly sy ny kaboraraka ary ny tsy fisian’ny Fanjakana tsara tantana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap