airtel

Edito

22-déc-2022

Edito

Fiantombohan’ny fiafarana

Sample post image

Tsy isika no handeha hanome lesona ny Filoham-pirenena sy ny fitondrana izay tarihiny, saingy manana zo hiteny sy haneho hevitra ihany angamba eo anatrehan’ny fahapotehana sy fitotonganan’ny firenena ankehitriny,

22-déc-2022

ka anisan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana. Antony telo goavana no mampihemotra firenena matetika, raha ny fandinihan’ny manam-pahaizana: ady an-trano mahatsiravina, loza voajanahary goavana, ary tsy fahaiza-mitantana. Tsy ahitana an’iretsy roa voalohany eto Madagasikara amin’ny ankapobeny. Tsy resaka tsy fitiavana na fankahalana manokana, fa raha ampitahaina amin’ny zava-nisy tany aloha, toa niha nitotongana hatrany ny fiainan-dRamalagasy tao anatin’ny fitondran’ireo mpitantana ankehitriny, niainga tany amin’ny tetezamita. Sarotra, ary toa fady anefa ny hiaiky ny tsy fahombiazana, ka asa hoe: rehefa inona no endrika isehoany vao ho tonga saina fa tena marary ny vahoaka? Ny zava-misy eto raha amin’ny politika, izay mihetsika hamoahana basy aman-tafondro, izay manelingelina azo ampirimina any am-ponja noho ny fanakianana sy ny fitanisana ny tsy mety, dia vesarana fanohintohinana ny filaminana anatin’ny firenena sy mikasa hanongam-panjakana,… Rehefa hidiana ny làlana rehefa ahafahana maneho hevitra, maneho ny tsy fahafaham-po amin’ny fitantanana firenena, maneho ny tsy fahafaliana amin’ny afera maloto sy kolikoly, ny tsy fananana vahaolana amin’ny olam-bahoaka samihafa,… dia ireny miseho amin’ny endrika siotsioka sy fampanenoana anjomara ireny. Maro no maneho, fa tokony handinin-tena ihany eo anatrehan’ireny raha mbola manana henatra. Asa na mba ho taitra sy ho tonga saina ihany na mbola handeha ny fihantsiana sy ny vava tsy ambina samihafa. Izao no antsoina hoe: fiantombohan’ny fiafarana raha amin’ny politika ary sarotra harenina satria efa nahazoan’ny Malagasy lesona izay am-polony taona nitantanana ny firenena izay. Mety misy ny mbola ho voafitaka amin’ny lango malefaka sy fampanantenana misavovona, saingy betsaka ihany koa no efa maneho fa afo nandoro ny làmba ity, ka tsy hiverenana intsony. Ny ao anaty fitondrana aza toa efa mifanipaka an-karona, ny vahoaka betsaka no tofoka ka inona intsony no antenaina amin’izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap