airtel

Edito

28-mars-2023

Edito

Fitiavan-tanindrazana sadasada ?

Sample post image

Isan’ny lesoka eto amin’ity firenentsika ity ny tsy mba fanekena ny fahadisoana ataon’ireo mpitantana, fa dia ny azy ihany no marina, ary na efa midona amin’ny rindrina aza,

28-mars-2023

dia mitady izay hamaharana sy hanangonana ny rihitra. Nihazakazahana ny nandrombaka fahefana efa in-droa nisesy ho an’ny fitondrana tarihin’ny Filoha ankehitriny fa mby aiza izao I Madagasikara? Hoentina amin’ny mokon-doha sisa ny fitantanana firenena, ka ireny efa niaraha-naheno ireny ny vavabe tany aloha hoe: “izahay aloha izao no eto”! Tafiditra ao anatin’ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana nimatimatesan’ireo Raiamandreny be tany aloha isika, ka asa hoe: mifanaraka amin’ny làlan-tsaina sy ny tolona nataon’izy ireo ve izao làlan-jotra itondrana ny firenena izao? Sanatria toa efa fombafomba sy natao hakana doka politika anefa sisa fahatsiarovana ny tolom-panafahana izany ankehitriny satria ilay tanindrazana nitolomana ny fahafahany toa iadiana sisika ny hanapotika azy? Lavitry ny firaisam-pirenena isika ankehitriny, ary toa lavitry ny maha firenena na “nation” fa mbola Fanjakana na “Etat” raha tarafina amin’ny fomba fiaina sy fisaina eto amin’ity Madagasikarantsika ity. Ny mpitondra sy ny mpanao politika tsy mahay miombona, ary lojika raha tsy mahay mampiombona ny Malagasy. Ny vahoaka ihany koa anefa indraindray toa zarazarain’ny fijery politika tsy mitovy, ny resa-poko sy fihaviana,… Vokany, lany andro mifanipaka toy ny valala an-karona eto isika, tsy manam-potoana intsony hamantarana an’izany Madagasikara izany sy hitiavana azy. Ny olona mitsiriritra ny harenantsika eto, fa isika kosa toa tsy mahalala akory hoe: iza isika? Manao ahoana ny tanintsika? Tena tsy azo vahana ve ny olan’ny firenena? Ny olombelona ny harena voalohany eto ka raha sanatria tena tsy afaka ny hifankatia sy hifanohana isika dia iza no antenaina hanavotra ity Gasikara ity? Tsy afaka ny hanary toky isika, ary ho ela na ho haingana dia irariana ho tonga amin’ny fifohazan-tsaina sy fanahy ka hihevitra fa fotoana hanovana sy hijerena ny soa iombonana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap