airtel

Edito

15-avril-2024

Edito

Fotoanan’ny fiovana!

Sample post image

Adinoy ny lasa fa aza adinoina ny lesony, hoy ny mpilalao sarimihetsika amerikanina sady ikoizana amin’ny haiady malaza maneran-tany, Chuck Norris, izay!

15-avril-2024

Izay tsy mahalala ny tantara dia voahozona hiverina hiaina azy, hoy koa ry Karl Marx, izay mpahaitoekarena no sady mpanao politika alemanina niaina nanomboka tany amin’ny taona 1818 tany, ary mbola namafisin’ilay praiminisitra britanika fahiny, Winston Churchill, izay niaina 60 taona taorian’izany moa ny fahamarinan’io fehezanteny io. Naka lesona tamin’ny tantarany efa ela ny eoropeanina sy ny firenena matanjaka hafa. Mandroso izy ireo ankehitriny ary efa tena mandroso fa tsy mbola mila tenenina hoe tsy maintsy mandroso na dia nandalo aza ny krizy iraisampirenena samy hafa hatramin’ireo ady lehibe sy fifandonana ara-tafika mivantana nitranga teo amin’ireo firenena sasany. Eto Madagasikara kosa dia mbola maha lasa saina ireo mpandinika foana ny hoe firenena tsy nandalo ady an-trano na loza voajanahary be tena tahaka ireny Tsunami Tany Japon tamin’ny fotoan’androny ireny kanefa dia mahantra eran-tany amin’izao fotoana hiresahantsika izao. Ireo firenena afrikanina maro ka hatraty amin’ny ranomasimbe indianina izay heverina fa tena akaiky antsika sy nanao antsika ho filamatra fahiny aty aza amin’izao fotoana izao efa tsy azo iadian-kevitra ny filazana azy ireo ho efa mivoatra sy tena mandroso. Eo indray ianao dia mahatsiaro ny matetika fambaran’itompokovavy minisitry ny mponina malagasy teo aloha, Nadine Ramaroson, izay hoe «Isika malagasy tena ratsy toetra satria tsy vitan’ny fotsiny hoe ory hava-manana fa mbola faly havana ory ihany koa.». Inona tokoa moa no mitranga ankehitriny raha tsy ny filoham-pirenena malagasy heverina ho am-perin’asa, Andry Rajoelina, mihitsy no manakana an-kolaka ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, tsy ho isan’ireo kandida hitarika vondrona iraisampirenena iray? Tsaroana daholo rehefa maheno ny tranga toy izany ny fifanarahana tany Dakar I sy Dakar II mbamin’ilay hoe ravin-dalana na «feuille de route» tany amin’ny taona 2010 tany. Mbola nisy koa aza ny hoe «Fifanarahan’i Cotonou» na «Accord de Cotonou».Nifandray tanana ireo filoham-pirenena malagasy efadahy nifandimby dia samy niandrandra ny maro hoe ho vita ihany ity fampihavanam-pirenena ity kanjo inona akory ny teo? 2024 isika izao samy mahita ny zava-miseho. Mbola mahafaly ny sasany ve izany, sanatrian’izany ny heverenan’ireny 1972, 1991, 2002, 2009 sy ny tariny ireny? Fotoanan’ny fiovana kosa angamba izao! Fanovana ireo tsy nety sy ratra navelan’ny tantara!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

fa nomenao vahoaka dondrona! Valalabemandry ialahy, hoy izy, rahoviana ihany vao valalabemifoha?

Card image cap
26-avril-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

Card image cap