airtel

Edito

22-févr-2023

Edito

Hafainganana mankaiza ?

Sample post image

Mahery vaika ity ny rivodoza. Manana hafainganam-pandeha izay azo lazaina hoe tsy niova, 35km isan’ora eo hatrany moa no voalaza.

22-févr-2023

Ny angatahana mafy amin’ny Mpahary dia ny mba tsy handravan’izany ny firenena ka hahasasa-miarina azy hatrany indray raha toa ka mbola tsy voatsabo akory ny takaitra navelan’ireo rivodoza hafa teo aloha. Etsy ankilany koa dia resahana matetika ny hafainganam-pandehan’ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny. Izay minisitra na tomponandraikitra nesorina tamin’ny toerany rehetra dia lazaina fa tsy maharaka ny hafainganam-pandehany izao foana. Hafainganana mankaiza anefa na ny marimarina kokoa dia ny hoe hafainganam-pandeha mitondra mankaiza? “Rien ne sert de courir, il faut partir à temps.’’ na koa hoe tsy misy antony tokony hiazakazahana fa zava-dehibe ny miainga ara-potoana, hoy ny leson-drizareo frantsay izay rehefa nandinika ny lovan-tsofina momba ny hazakazaky ny bitro sy ny sokatra notantarain’I La Fontaine. “Tonga miaraka dia fanombohana, miasa miaraka no fahombiazana”, hoy kosa ny nandikan’ny filoham-pirenena malagasy teo aloha ny teny filamatr’ilay mpandraharaha amerikanina, Henry Ford. Tsy ny fihazakazahana fotsiny amin’izao, noho izany, no mitondra vokatra fa ny fananana stratejia sy fomba fiasa mirindra aloha. Mety tsy ilaina akory aza izay mihazakazaka izay rehefa maty paika ny fomba fiasa arahana ahatongavana amina tanjona na vokatra iray. Reraky ny mihazakazaka eo fotsiny. Tsy mila tadiavina akory ny porofo mikasika izany, raha ny momba an’I Madagasikara manokana, fa io iaraha-mahita miharihary io ny firenentsika izay mbola tafalatsaka lalina anaty fahasahiranana sy isany mahatra indrindra eto ambonin’ny tany io na dia lazaina ho manana hafainganam-pandeha tsy misy toa azy aza ilay filoham-pireneny.

J. Mirija


 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap