airtel

Edito

21-août-2026

Hazakazaka arahin-tosika!

Vao tsy ela akory no

Sample post image

naverimberina manoloana ny

21-août-2026

fandinihana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny hoe mila mailo manoloana ny mety ho fita-bitro samihafa avy amin’ny sasany amin’ireo olon’ny fitondràna teo aloha ny fitondràna ankehitriny. Nampiboiboika be izany adihevitra izany moa ny fitsangànan’ny vondrona iray iraisan’ireo parlemanta lany tamin’ny anaran’ny vondrona politika niaraka tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina. Tsy ferana ao anatin’ny fisian’ny antsoina hoe fivadibadihana palitao hatramin’izay ny fisian’ny atao hoe fitsikilovana na «infiltration». Heverina fa tsy tokony isalasalàna intsony ny miresaka an’izany satria na ireo mbola heverina ho valalabemandry sasany eto amin’ny firenena aza dia efa mety mahatakatra ny tsy maintsy ho fisian’izany manoloana izao fihazakazahan’ny tekinolojia izao. Mody manohana izay fitondràna mijoro eo nefa efa manana paika hamerenana «ilay iraikalahy taloha», hoy ny fomba fiteny tamin’ny fotoana andro. Amin’ny malagasy moa dia izany no antsoina hoe hazakazaka arahin-tosika. Mody miara-mihazakazaka amin’ilay lazaina fa tohanana nefa sady mibahana ny lalany ihany no manosika azy hihemotra any aoriana mihitsy raha mahita paika hahafahana manao izany. Izay izany no tena hevitry ny teny hoe «Hazakazaka arahin-tosika!» ary efa ela no nisian’io fa tsy hoe vao tamin’izao vaninandro iainantsika izao. Porofo voalohany nanamarina ny fisian’izany efa ela ny nahafahan’ny frantsay nandrava ny fitondràna faha mpanjaka teto amin’ity firenena ity nanomboka ny taona 1896. Raha vantanina izany dia ny heverina fa olon’ny mpanani-bohitra na ireo antsoina ihany koa hoe mpamadika tanindrazana no mpanao ny hazakazaka arahin-tosika! Asakasak’izay mivelona amin’ny hazakazaka arahin-tosika!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-août-2026

ny tsio-drivotra ara-politika na

Card image cap