rivo-pitantanana ny firenena mbola azo lazaina hoe vaovao izao. Hiala amin’ny mahazatra! Sarotra nefa io, hoy ny fomba fitenin’ny fiarahamonintsika hatramin’izay. Sarotra, hoy isika, ny miala amin’ny mahazatra. Inona nefa moa izany no antsoina hoe fanavaozana na ihany koa fanovàna raha toa ka tsy izany no ialàna? Tsotra tokoa raha tenenina amin’ny vava fotsiny, ohatra, ny miteny hoe «Mila miala amin’ny kolikoly isika!» saingy ny zava-misy hatreto, hatramin’ny andron’ny fitondràna Ravalomanana nananganana ny BIANCO nitohy tamin’ny fananganana ireo rafitra hafa maro natokana hamongotra izany, na Samifin io na PAC na ARAI na inona na inona no toa vao mainka nampidangana ny tarehimarika? Isan’ny fanontaniana mipetraka efa ela ny hoe tsy mahomby ve izany ireny rafitra ireny? Samy naneho ny fahitàny ny fomba fiasan’izy ireny teny moa ny mpandinika sy mpamakafaka samihafa. Miezaka mitondra fanazavàna mifandraika amin’ny tsikera mahazo azy koa ny tomponandraikitr’ireo rafitra dia hoy ny mpisehatra samihafa avy eo milaza hoe tsy ny rafitra no mampandroso sy manatsara fa ny fomba fiasa. Inona moa fa tsy mitombina koa izany karazam-panontaniana sy valinteny izany mikasika ity adihevitra politika be novoizina tato ho ato ity dia ny momba ny hoe rafitra tokana sy federaly? Tsy rafitra efa nandramana sy nampiharina teto amin’ity firenena ity daholo ve moa izany? Fahantrana lalina hatreto no vokany teto amin’ny firenena, indrindra, nanomboka ny fisasahan’ny repoblika faharoa. Tsy nety namaha olana ny fiovàn-drafitra. Ny rafitra mpanjaka moa izany, iarahantsika mahalala ny tantara, resy tosiky ny mpanani-bohitra. Nisy fetrany ihany koa izany iny matoa izay no niafaràny. Na inona rafitra nandalo teo nefa dia nahitàna karazana toetra sy fomba fiasa lomorina izay mbola ifandovàna eto hatramin’izao avokoa raha ny tantara no iverenana jerena. Tamin’ny andron’ny faha mpanjaka no efa nisy izany hoe mpitaty ràn-kena sy mpisolelaka izany. Mbola misy nefa izany hatramin’izao. Efa ela no nisy ny atao hoe kitranoantrano na akamakama. Minisitera iraimanontolo, ohatra, tsy ahitàna olon-kafa ankoatran’ireo iray fihaviana amin’ingahy minisitra. Niteraka resabe foana koa ny hoe toa ny fianakavian’ilay tomponandraikitra voalohany ao amin’ilay andrim-panjakàna ihany no tomponandraikitra miaraka aminy na manarakaraka azy? Toy izany koa ny hoe anatina rafi-panjakàna iray no misy an-drangahy dia rafi-panjakàna iray hafa no misy an-dramatoa. 68 taona niainana tanaty repoblika isika izao. 130 taona sy 5 andro izay no nitsahatra ihany koa fanjakàn’ireo mpanjaka nambara ho nitondra an’i Madagasikara. Mbola eto isika ary tsy azo hiodivirana nefa ny fialàna amin’ny mahazatra hatramin’izay!
J. Mirija