airtel

Edito

12-mars-2024

Hifamitaka lava eto

Tsy lavitra ny ohatra fa dia iny hita omaly

Sample post image

iny moa izany fa mbola miteraka adihevitra be ihany ity resaka taom-baovao malagasy ity.

12-mars-2024

Hatramin’ny mpandinika fiarahamonina sy mpanao politika aza niaiky fa toa tsy hampiray izany mihitsy io raha mbola revy kibay an-kelika lava eto, hoy ny fitenin’ny tanora izay. Tokony hisaorana ve ny minisitera tandrify raha namaritra tam-pahibemaso azy iny omaly hoe «taom-baovaon’ny merina»? Ny heno nanakoako tetsy Mahamasina tokoa aloha dia saika hirahira mahakasika an’Analamanga sy Imerina daholo saingy ireo nankalaza nirentirenty rehetra moa dia saika nanonontonona ny hoe «tratry ny taom-baovao malagasy» ny ankamaroany. Tsaroana tokoa anefa fa nifanaraka ny mpikarakara andaniny sy ankilany fa iny omaly iny no antsoina hoe taom-baovao fararano na taom-baovaon’ny merina ary ilay iray atao hoe taom-baovao lohataona. Dia toy ny fiainam-pirenena ihany, hifamitaka lava eto izany. Hafa no hifanarahana. Hafa no ataon’ny mpifanaraka. Efa hatrany amin’ny fifanarahana momba ny «ravin-dalana» na «feuille de route» tamin’ny tetezamita io no hita. Inona no tena tanjona? Ho disoina sy ho potehina ve ny tantara ka ny toerana nankalazana ny fandroana no nametrahana «colisée» ary ireo fety isam-paritra fahizay toy ny fandroana, fandroana an-driaka, fitampoho sy ny tariny ihany koa no bangoina tokana amin’ny hoe taom-baovao malagasy? Tokony ho gaga ve isika raha mamerina hatrany ny fahadisoana teo amin’ny tantara raha toa ka izany sy ireny hirahira nalaza tato ho ato ireny hatrany no lanjan-tsaina ho ajanona amin’ireo tanora 18 taona no miakatra isam-banim-potoana? Tsaroana hatrany ny fehezantenin’ny mpandinika vahiny Noam Chomsky izay raha nilaza fa «Ny firenena iray tsy naka lesona tamin’ny tantarany dia voahozona hiaina izany indray.». Heverina fa ohatra velona manamarina izany indrindra ity «Madagasikara tsy mety mandroso» sy tsy mety tafavoaka anaty fahantrana lalina hatramin’izao ity ka asa hoe mbola hifamitaka lava eto ihany ve?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap