airtel

Edito

13-mars-2026

Hifandova ratsy foana ?

Mbola anatin’ny adihevitra

Sample post image

politika sy maminavina izay

13-mars-2026

fanapahan-kevitra lehibe horaisin’ny Fitondram-panjakana, indrindra fa ny Filoham-panjakana isika. Isan’ny mbola hitodihan’ny sain’ny rehetra ny fanendrena izay ho Praiminisitra Lehiben’ny governemanta. Fa nialoha sy taorian’ireny, dia nisehoana tranga sy fanapahan-kevitra politika azo lazaina ho goavana sy mifamatotra amin’ny raharaham-pirenena ihany. Voalohany ny fanonganana ny ben’ny tanàna teto Antananarivo rehefa nolazaina fa tsy nanara-dalàna sy nanao hosoka ka foana avokoa ny vatony, ary haverina manontolo ny fifidianana. Faharoa ny fametraham-pialana faobe nataon’ny mpikambana 8 amin’ny 9 mandrafitra ny vaomieram-pifidianana,… Asa inona ny fanintelony mety hitranga ankoatra ilay faharavan’ny governemanta ? Mety zavatra mifamatotra sy mifanohy ihany ireo. Azo atao tsara ihany izany ny mitsara fifidianana amin’ny fomba hentitra sy mahitsy ka manasazy ireo heverina fa nanao ny tsy mety. Mbola marin-toerana sy mendrika hotazonina ve ireo rafitra hafa indrindra fa napetraka tamin’ny alalan’ny fifidianana nampifanditra, hany ka na ireo nikarakara izany fifidianana izany aza efa niala an-daharana sy nanaja tena ? Tena ain-dehiben’ilay fanendrena izay ho lehiben’ny governemanta ny toeran’ilay andrim-panjakana iray etsy Tsimbazaza saingy mbola taritry ny fironan’ny vahoaka ve na ekena aza fa nisy ireo niova loka ? Nahoana no misy mbola sahy midingin-drambo ho tokony hanolotra anarana Praiminisitra kanefa ny anaran’ny Vondrona parlemantera nisy azy izay nampitondraina anarana tsangan’olona nitondra ny Firenena efa naloan’ny vahoaka aza efa lasa nitsoa-pahana any ivelany ? Tsy resaka fankahalana olona na vondron’olona ary amin’ny politika mety tsy voatery ho mpifanandrina na mpiara-dia mandrakizay fa mety miovaovao, saingy tena ho an’ny tombotsoam-bahoaka sa fivadibadihana palitao noho ny tombotsoa ? Dia mbola ny politika lany andro sy mamohehitra hatrany no ifandimbiasana kanefa fanapahan-kevitra goavana iainkinan’ny aim-pirenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

dia tsy maintsy ezaka iombonana foana

Card image cap
14-avril-2026

fifamaliana bontana ara-politika tato ho ato.

Card image cap