Ny fikaroham-bahaolana no maika fa raha ho tazanim-potsiny na sanatria odian-tsy hita izao dia tena ho zavadoza. Na inona na inona fifandirana sy ady, tsy maintsy resaka ambony latabatra ihany no handaminana azy, ka inona no tsy ifampiresahana dieny izao, sa ve efa miandry fahapotehana goavana mihitsy vao hiresaka ? Nofinofy, raha mbola ety an-tany ny hoe fiainana milamina be tsy misy olana, fa ny fahaiza-mamaha olana ara-potoana no tena fahendrena.Raha izao zavatra iainan’ny firenena izao , efa tena mafy, miteraka sy mitarika tsy fitoniana eo anivon’ny fiarahamonina.Tsy azo ihodivirana ny fifampiresahana, saingy indrisy fa mitsambiki-mikipy hatrany ireo manana ny fahefana.Tsy misy krizy izany hono eto, tsy misy krizy politika.Dia tena mahagaga ; kanefa samy niana tsara teto ihany anefa tamin’ny 2018 nisian’ny fifidianana ; tsy hoe faly hanakiana fotsiny, fa raha ny zava-niainana tato anatin’ny 4 taona izay kosa aloha dia ratsy naoty ny mpitondra fanjakana.Ary io na amin’nyf omba fiasa ato anatiny na amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany dia sampotsampona avokoa. Ka asa re, mba ho tonga saina amin’izay sa hanohy hatrany ny fomba fisaina sy fomba fiana mamoa-doza.
RTT
kanefa dia ireny niaraha-nahita ireny fa hipoka olona ny kianja goavambe eto Antananarivo