airtel

Edito

05-sept-2022

Edito

Hira mahazatra

Sample post image

Efa hihomehezana sisa ity fifanandrinana Ravalomanana – Rajoelina ity. 13 taona be izao kosa ve moa? Raha mbola ho lany koa izany ny iray amin’ireo raha mandeha ny fifidianana 2023 dia mety hitombo 18 taona indray.

05-sept-2022

Raha ilay iray ankehitriny ihany moa no ho lany eo dia mbola hitohy foana ny hoe “voasakan’ny mpitandro filaminana eto Antsirabe na Antsiranana na Fianarantsoa na tary an’anona indray ny filoham-pirenena teo aloha…”. Efa fantatry ny maro ilay hira mahazatra. Asa hoe hitohy mandra-pahoviana ity politika iva lenta fanabadoana ny vahoaka malagasy efa difotry ny fahantrana an-taonany maro ity. Efa mandeha moa ny petrakevitra sy fanehoan-kevitra samihafa milaza fa mpifamelona ara-politika ihany ny roa tonta ary sarin’ady politika ihany ny azy mianaka ireto na koa hoe sinema mba tsy hahavoasarika ny saim-bahoaka amina hery politika hafa mety hivoahana kandida matanjaka ankoatra azy mirahalahy ireto amin’io taom-pifidianana manaraka io. Petrakevitra daholo aloha izany rehetra izany na izany na tsy izany fa ny hita miha miharihary dia manomboka miha mankaleo ny mpanara-baovao hatrany ity hira mahazatra ataon’ny andaniny sy ankilany ity. Na ilay na ireo manaraka baiko sy ny mpaniraka azy ireo koa aza ve tsy mba leo hoe dia inona tokoa moa no tena antony tsy maintsy hoe hanakatsakanana ity filoham-pirenena teo aloha ity amin’izay rehetra alehany. Vola miditra tsy hisasarana firy ve kazaran’ireo mandray baiko aza misy atao? Fisolelahan’ireo mpanome baiko amin’ny filoham-pirenena ve sa amin’ireo mpaniraka azy? Tsy ny fanakatsakanana ity filoham-pirenena teo aloha ity ihany no tiana ho resahana ao anatin’izany fa hatramin’ny hoe tsy avela andeha amin’ireo tambazotrana haino aman-jery satelita koa ny haino aman-jeriny. Tena fanapahan-kevitra mba misy dikany sy tena tokony atao ve ary inona no mba vokatsoa nentiny teto amin’ny firenena?
J. Mirija 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

filoham-pirenena toa tsy mahatombon-tsiraka fa mahita dia ho aleha ity foana.

Card image cap
06-mai-2024

na mpanao politika dia tena maniry ny hahapotika sy haharava ny firenena

Card image cap