airtel

Edito

06-mai-2024

Mandany fa tsy mamorona harena !

Mbola haverina foana fa tsy misy tokoa angamba mpitondra Fanjakana

Sample post image

na mpanao politika dia tena maniry ny hahapotika sy haharava ny firenena

06-mai-2024

na dia misy ihany aza ny haratsiam-panahy maniry ny hahabado mandrakariva ny Malagasy mba ho azo atao tohatra fiakarana. Matoa mihemotra sy milentika i Madagasikara, dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, tsy fahaizana mijery sy mametraka ny tokony ho tena laharam-pahamehana, tsy fahafehezana ilay firenena sy ny zavatra tena mety aminy. Eo ihany koa ny tsy fahaizana mampifanaraka ny fitantanana, ny politikam-panjakana, fandaharan’asa, ny fampianarana, ny fampiasam-bola,… any amin’ireo otrik’arena ananan’ny firenena mba havadika ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana, hany ka ny vahiny no mitavana ny harena eto. Tahaka izany ihany koa ny tsy firaharahiana ny Malagasy izay harena voalohan’ny firenena, fa ny fampijaliana sy fanambakana an’ireo mivantana na ankolaka no tena atao. Ny resaka fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola moa dia resaka ambony latabatra no betsaka. Betsaka ireo sehatra misy lanjany goavana ara-toekerana saingy fampanantenana poakaty ny ankamaroan’ny ambara fa fandraisana andraikitra mikasika azy, raha tsy hilaza afatsy ny tontolon’ny angovo. Dia lasa fandaharan’asam-panjakana mihitsy ny fizarana jiron’akoho, izay ekena fa ilaina, saingy miteraka inona tokoa ? Moa tsy lasa fanaovana pi-maso politika ? Ny sary tiana hapetraka eto dia ny fametrahan’ny mpitondra ny tandindony, mba hahatsiarovan’ny olona azy, fa tsy ny hampandroso ny isam-batan’olona. Matetika mandany vola amin’ny zavatra mandany harena fa tsy mamorona harena raha tarafina amin’ireo kirendrarendra samihafa, toy ny kianja, kizarazara,... Fandrosoana inona no ho vanona amin’izany ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Hita miharihary amin’ny fitetezam-paritra ataony koa moa ny filoham-pirenena ary

Card image cap
16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap