vanona no vonona azo itokisana hiaraka hisalahy amin’ny fanavotana an’ity firenena ity? Eo kay izany izao no ipetrahan’ny fanontaniana sy olana fototra amin’ny tsy mety maha voahavotra an’ity firenena ity, raha fehezina ny azo lazaina mihitsy hoe hakiviana nasehon’ny filohan’ny fanavaozana raha niresaka tamin’ireo diaspora tao Frantsa farany teo. Izy izay heverina ho tompon’ny fanapahan-kevitra betsaka indrindra eto amin’ity firenena ity aza io izany kivy dia ahoana izany ireto valalabemandry? Ireto malagasy mitrongy vao omana? Ireto vahoaka tsy mandady harona? Mazava ho azy fa mahaketraka ny maheno mivantana izany avy amina tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena mihitsy na dia efa adihevitra be nandritry ny taona maro teto amin’ny firenena rahateo aza ny fahasarotan’izany mitady olompirenena tia tanindrazana sady vonona no vanona eto amin’ity Madagasikara ity izany. Ho toy ny mitady gisa mainty na hoe tena tsy azo heritreretina intsony tokoa izany ny hahita izany karazan’olona izany eto amin’ity firenena ity? Sanatria na dia efa ireo ao an-dapa ireo aza ve izany dia mety tsy misy an’izany na hoe na misy aza dia vitsy an’isa? Mbola maro no forongony ato amin’ity efitrano misy antsika ity, hoy ny fanehoan-kevitr’ilay ranamana iray tany an-toerana izay. Tahaka izay izany aloha no valinteny azo hamaliana ilay fanontaniana napetraka tany aloha teo. Valinteny hafa koa ny hoe mbola feno forongony nahazo avara-patana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Mbola feno forongony ao an-dapa ao. Mbola feno karazana mpisehatra mivantana amin’ilay raharaham-pirenena be dosie manahirana eto. Mbola ahitàna karazan’olona nanao aleloia ny tsy fetezam-pitantanana tamin’ny fitondràna teo aloha nefa tsy menatra akory ankehitriny milaza fa manohana fatratra izao fitondràna mijoro izao indray. Raha mba nanohana ilay teo aloha tamin’ny fomba nanaraka lojika moa naninona fa ny taratra izany dia hoe tena ilay na ireo nanivaiva ilay tolona nisy teo ary nampirisika ny mpitandro filaminana hihoa-pefy tamin’ireo vahoaka nitaky fahamarinana mihitsy no mihirahira fanohanana sesilany ilay fitondràna mijoro amin’izao fotoana izao indray. Lany henatra na «sans scrupule», hoy ny teny vahiny izay. Aiza ireo tia tanindrazana manana etika sy fitaizam-panahy na deontolojia amin’ny fikatsahana izay hahasoa marina ity firenena ity? Aiza ireo manana fotokevitra ijoroana na «principe» fanampin’izay ihany koa? Mbola mitombina ve ilay hira hoe tsy mahantra olo-manga fa mahantra olo-marina ity tany mamintsika ity? Mitady gisa mainty tokoa aloha izany hatreto!
J. Mirija