airtel

Edito

30-nov-2022

Edito

Ho tsarain’ny tantara

Sample post image

Tamin’ny andron’ny lovantsofina sy ny rakitsoratra fotsiny aza efa nitsara ny tantara ka mainka moa fa amin’izao andron’ny tekinolojia mihazakazaka izao!

30-nov-2022

Mbola mibahana ny fiainam-pirenena sy fanarenana ny toekarem-pirenena mandrak’ankehitriny ny resaka angovo, indrindra, fa ity resaka famantsiana herinaratra sy rano fisotro madio eto amin’ny firenena ity. Nandeha teo ny resaka tombana na “evaluation” hoe natao tamin’ireo mpitantana ny Jirama. Tonga amin’ny resaka fanenjehana ara-pitsarana sy famonjana izany ankehitriny. Tsotra dia tsotra anefa ilay tena andrasan’ny vahoaka sy ny mpanjifa. Herinaratra tomombana tsy misy delestazy ary famatsian-drano fisotro madio tsy misy fiatoana. Tontosa ve izany taorian’ilay tombana natao sy fanagadragadrana be dia be? Iaraha-mahalala ny tantaran’ny olana fototry ny Jirama, raha hiverenana ny ampahany tamin’ireo efa nitateran’ny mpahay izany sy nanaraka azy koa fa nanomboka teo amin’ny fanapahana hoe tsy mamokatra angovo intsony ilay orinasa fa mamatsy herinaratra sisa, hoy ny mpahaitoekarena. Nandeha taty amin’ny andron’ny fitondrana Rajaonarimampianina aty avy eo ny resaka Symbion power. Nihazohazoana tao aorian’izay ny fampiasana an’I Tsimiroro ary io mbola sadasada mandrak’anio io. Nofehezin’ny mpisehatra amin’ny resaka angovo amin’izay taty aoriana ny zava-misy tamin’ny alalan’ny fampahatsiahivana fa ny 80%n’ny vondrona mpamatsy herinaratra na “groupe électrogène” miasa ao amin’io orinasa mbola hireharehana fa an’ny malagasy madiodio io dia saika efa an’ny sehatra tsy miankina avokoa. Aiza izany ilay tena tekinisianina, manomboka any amin’ny minisitra, sy ny vahaolana tekinika ao anatin’izany rehetra izany? Olana vao omaly ve no resaka eto sa efa 30 taona mahery? Efa notsarain’ny tantara isika ary mbola ho tsarain’ny tantara.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap