airtel

Edito

18-avril-2023

Edito

Hoviraviraina foana ve ilay firenena e ?

Sample post image

Raha nisy fitondram-panjakana nanana herijika sy tokony hahomby indrindra tamin’ny fitantanana firenena angamba dia ity fitondrana tarihin’ny Filoha Rajoelina ity.

18-avril-2023

Sambany teo amin’ny tantara izany Filoha nanao fihanianana ka natrehin’ny mpifanandrina na teo aza ny disadisa ara-pifidianana, ary tsy narahina romoromo firy, fa afaka nametraka izay rafitra samihafa heveriny fa mampety azy. Azony hatrany amin’ny 80% ny maro an’isa tao anatin’ny Antenimierampirenena na betsaka aza ny ahiahy, azy 90% ny mpikamban’ny antenimierandoholona,… Tsy arakaraka izay ny vokatra, fa toa fahapotehana andro aman’alina, miverina ny sarin’ny tetezamita amin’ny fomba fitantanana firenena. Manjaka ny kolikoly sy afera maizina, ka miteraka tsy fifampatokisana maro samihafa. Sesilany ny hadalana ataon’ny mpitondra raha tarafina amin’ny fihetsiky ny olom-boafidy sy olom-boatendry maro. Tsy misy arofanina fa toa samy manao izay reviny, samy manao izay tiany,… Ny tena zava-doza, sarotra ny hanaiky diso, fa ny ataony ihany no ataony, ary mila ho isan-kerinandro misy tsy fanjariana miseho hatrany. Maty hasina ny fanjakana, maty hasina ny andrim-panjakana, voaviravira hatramin’ny firenena. Taiza no mbola nisy depiote izay olom-boafidin’ny vahoaka handeha hiera amin’ny Praiminisitra fa hoe: hiarahaba ny depiote namany? Zava-dehibe ny fifanajana eo amin’ny antanan-tohatra, ary mendrika hajaina ny Raiamandrenin’ny firenena,… Samy manana ny safidiny sy izay hitondrany ny tenany tokoa io kanefa sa mba tokony havahana ihany na izany aza ny fifanajana sy ny fisolelahana manara-penitra sao satria toa mampirefarefa ilay anarana entina amin’ny solombavambahoakan’I Madagasikara sy ny andrim-panjakana misy azy. Ny mpanao lalàna no tokony hanara-maso ny mpanatanteraka amin’ny asa tokony hataony, saingy toa mandohalika eo anatrehan’izany indray no misy. Tahaka izany ihany koa ireny fitenina olom-boafidy miampisara-bazana sy maneho fahambanian-tsaina ireny, izay tena lasa adihevitra, eny fa ny iray petsapetsa ao anaty Fitondrana aza betsaka no sosotra. Mbola mendrika antsoina ho solombavambahoakan’I Madagasikara ireny? Vitan’ny fialan-tsiny avy eo rehefa tezitra ny olom-pirenena! Tena mba mila hivina fahamendrehana sy fahendrena kosa angamba ny fitantanana firenena, fa tsy hoentina amin’ny mokon-doha na sanatria loham-boto hoe: izahay aloha izao no eto, ka na efa manao ny tsy fanao aza ho vitavita ho azy lava eto e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap